Hoatra ny noheveriny fa zavatra kely foana ny mandeha amin’ny fahotan’i Jerôbôama zanak’i Nabata, ka dia nalainy ho vady i Jezabela, zanaka vavin’i Etbaala, mpanjakan’ny Sidonianina, ka lasa izy nanompo an’i Baala sy niankohoka teo anatrehany.
Hosea 2:15 - Baiboly Katolika Hovaliako izy noho ny andron’ireo Baala, izay nanolorany emboka, tamin’ny andro niravahany masombola sy fehivozona, sy nanarahany ny lehilahiny; fa Izaho kosa nohadinoiny, - teny marin’i Iaveh. - Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hovaliako izy noho ny andron’ireo Baala izay efa nandoroany ditin-kazo manitra sady niravahany ny perany sy ny firavany. Nanaraka ireo lehilahiny izy fa Izaho kosa dia nohadinoiny, hoy NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA Hofaiziko izy noho ireo andro nandoroany vovo-javamanitra mifangaro ho an’ireo Bahala isan-karazany: niravaka peratra sy firavaka izy, ka nanaraka ireo lehilahy sakaizany; fa Izaho TOMPO kosa nohadinoiny, hoy ny teny hentitra ambarako. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hofaiziko izy noho ireo andro nandoroany vovo-javamanitra mifangaro ho an’ireo Bahala isan-karazany: niravaka peratra sy firavaka izy, ka nanaraka ireo lehilahy sakaizany; fa Izaho TOMPO kosa nohadinoiny, hoy ny teny hentitra ambarako. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hovaliako izy noho ny andron’ireo Bala, Izay efa nandoroany ditin-kazo manitra Sady niravahany ny kaviny sy ny firavany, Ka nanaraka ireo lehilahiny izy; Fa Izaho kosa nohadinoiny, hoy Jehovah. Malagasy Bible Ary hovaliako izy noho ny andron'ireo Bala, izay efa nandoroany ditin-kazo manitra sady niravahany ny kaviny sy ny firavany, ka nanaraka ireo lehilahiny izy; Fa Izaho kosa nohadinoiny, hoy Jehovah. La Bible en Malgache Hovaliako izy noho ny andron’ireo Baala izay efa nandoroany ditin-kazo manitra sady niravahany ny perany sy ny firavany. Nanaraka ireo lehilahiny izy fa Izaho kosa dia nohadinoiny, hoy NY TOMPO. |
Hoatra ny noheveriny fa zavatra kely foana ny mandeha amin’ny fahotan’i Jerôbôama zanak’i Nabata, ka dia nalainy ho vady i Jezabela, zanaka vavin’i Etbaala, mpanjakan’ny Sidonianina, ka lasa izy nanompo an’i Baala sy niankohoka teo anatrehany.
Fihirana fiakarana. Nampahoriny mafy, hatry ny fony mbola tanora aho; - - aoka i Israely hilaza izany! -
Ary i Sarôna no hatao vala ho an’ny ondry, ary ny lohasahan’i Akora no hatao tany fiandrasana omby, ho an’ny oloko, izay nitady Ahy.
Hanao trano izy, dia izy no honina ao; hamboly voaloboka izy, dia izy no hihinana ny vokany.
«Mandehana, ataovy antso avo ho ren’i Jerosalema izao teny izao:» Izao no lazain’i Iaveh: «Tsaroako ny firaiketam-ponao tamiko, fony ianao mbola tanora, ny fitiavanao, fony ianao vao fofom-bady; dia ilay nanarahanao Ahy tany an’efitra, tany amin’ny tany tsy famafazana.
Fa Izaho dia mahalala ny hevitro ny aminareo, - teny marin’i Iaveh, - dia hevitra hampiadanana fa tsy hampahoriana, mba hanome anareo andro any ho any sy fanantenana.
Ary ankehitriny kosa izao manko no lazainao amiko: «Ry Raiko ô, ianao ilay sakaizan’ny fahatanorako. Ho tezitra mandrakariva va izy, hitahiry fahatezerana mandrakizay va izy?
Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Mbola hividy trano sy saha ary tanimboaloboka amin’ity tany ity ny olona.»
Ary tao anatin’ny fahavetavetana amam-pivarinanao amin’ny hafa rehetra ianao, tsy nahatsiaro akory ny andro nahakely anao, nitanjahanao, niboridananao mihitsy, ary nitsipatsipahanao tamin’ny ranao.
Izaho anefa mbola hahatsiaro ny fanekena nataoko taminao, tamin’ny andron’ny fahatanoranao, ka hanorina fanekena mandrakizay aminao.
Nandalo teo akaikinao Aho ka nahita anao; dia efa tonga ny fotoanao, dia ny fotoam-pitiavana; ka novelariko taminao ny ila lambako, nanaronako ny fitanjahanao ary nianiana taminao Aho, ka nanao fihavanana taminao, - teny marin’ny Tompo Iaveh, - ka dia Ahy ianao.
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Rehefa manangona ny taranak’i Israely, avy any amin’ny firenena nampielezako azy Aho, dia hanamasina ny Tenako eo amin’izy ireo, eo imason’ny firenena; ka honina eo amin’ny taniny, izay nomeko an’i Jakôba, mpanompoko, izy ireo.
Honina ao izy tsy amin’ahiahy; hanorin-trano sy hamboly voaloboka, honina ao tsy amin’ahiahy izy ireo, rehefa vitako ny fitsarana an’izay rehetra mpifanila aminy sy maneso azy. Dia ho fantatry ny olona fa Iaveh Andriamanitr’izy ireo Aho.
Tia an’i Israely Aho fony mbola zaza izy; ka hatrany Ejipta nisy fiantsoana nataoko ny zanako.
Nandositra ho any amin’ny tany Arama i Jakôba; nanompo mba hahazoany vady i Israely; dia niandry ondry izy hahazoany vady.
I Efraima nanao hoe: Mba nihary harena ihany aho anefa, ka nahazo fananana be aho; ary amin’izay azoko rehetra, dia tsy ho hita amiko izay famonoana antoka azo atao ho fahotana.
Ary Izaho no Iaveh Andriamanitrao, hatrany amin’ny tany Ejipta; tsy hahalala Andriamanitra afa-tsy Izaho ianao; ary eo ivelan’ny Tenako tsy misy mpamonjy.
Ary ankehitriny, habaribariko ny fahamenarany eo imason’ireo lehilahiny, ary tsy misy hahafaka azy amin’ny tanako.
Hampodiko indray ny babo amin’i Israely vahoakako; ka ny tanàna rava, haoriny sy honenany indray; ny voaloboka hamboleny, hisotroany ny divay avy aminy; hanao tanimboly izy ireo, hihinanany ny vokany.
Miverena ho ao amin’ny fitoerana mimanda, ianareo babon’ny fanantenana. Mbola lazaiko anio izao: Indroa heny no haveriko aminao.
Izaho no varavarana. Raha Izaho no hidiran’ny olona, dia hovonjena izy, ka hiditra sy hivoaka, sady hahita hanina.
ary nanangana antontam-bato lehibe teo ambonin’i Akàna ny olona, ka mbola maharitra ao mandraka androany izany. Dia nitony i Iaveh tamin’ny firehetan’ny fahatezerany. Noho izany zava-nitranga izany no iantsoana io toerana io mandraka androany hoe Lohasaha Akora.
Tsy notsarovan’ny zanak’i Israely intsony i Iaveh Andriamanitr’izy ireo, izay nanafaka azy tamin’ny tanan’ny fahavalony rehetra nanodidina azy;