Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 2:16 - Baiboly Katolika

16 Koa noho izany dia indro Aho hitarika azy sy hitondra azy any an’efitra, ary hiteny aminy ao am-pony;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Koa indro, hitaona azy Aho ka hitondra azy ho any an-tany efitra ary hanao teny malefaka aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

16 Koa Izaho no hitaona azy indray sy hitondra azy ho any an-taniefitra ary hanao teny manohina ny fony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Koa Izaho no hitaona azy indray sy hitondra azy ho any an-taniefitra ary hanao teny manohina ny fony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Koa, indro, Izaho dia hitaona azy Ka hitondra azy ho any an-efitra Ary hanao teny malefaka hahafinaritra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Koa, indro, Izaho dia hitaona azy ka hitondra azy ho any an-efitra ary hanao teny malefaka hahafinaritra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Koa indro, hitaona azy Aho ka hitondra azy ho any an-tany efitra ary hanao teny malefaka aminy.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 2:16
12 Rohy Ifampitohizana  

Raiki-pitia tamin’i Dinà, zanaka vavin’i Jakôba, ny fon’i Sikema, ka tia an-drazazavavy ary nanao teny malefaka taminy izy.


Mitenena amin’ny fon’i Jerosalema, ary ataovy antso avo aminy, fa tapitra ny fanompoany, voaonitra ny helony, voarainy tamin’ny tanan’i Iaveh, ny indroa heny valin’ny fahotany.


Fa ny vadinao dia ny Mpahary anao; I Iavehn’ny tafika no Anarany, ary ny Mpanavotra anao dia ilay Masin’i Israely, Andriamanitry ny tany rehetra no iantsoana azy.


Miverena, ry zaza mpiodina, - teny marin’i Iaveh, - fa Izaho no Tomponareo; ary halaiko ianareo, ny iray ao amin’ny tanàna iray, ary ny roa amin’ny fianakaviana iray; ka hoentiko any Siôna.


Hoentiko ho any an’efitry ny firenena ianareo, dia any no hifandaharako aminareo mifanatrika.


satria nijangajanga reniny, nanao zava-mahamenatra ilay torontoronina azy; fa hoy izy: Izaho handeha any amin’ireo lehilahiko, izay manome ahy ny mofoko aman-dranoko, ny volon’ondry aman-drongoniko, ny diloilo aman-divaiko.


Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan’ny mpampakatra izay mitsangana eo sy mihaino azy, dia faly tokoa mandre ny feon’ny mpampakatra; ary izany hafaliana izany no tanteraka amiko,


Manana fahasaro-piaron’Andriamanitra ny aminareo aho, satria natolotro ho fofom-badin’ny Lehilahy anankiray ianareo, dia i Kristy, mba hanolorako anareo aminy toy ny virjiny madio.


Mifalia sy miravoravoa isika, ary manomeza voninahitra Azy, fa tonga ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry, ary efa voahaingo ny Vadiny;


Fa niainga ralehilahy ka nankany aminy, hiteny amin’ny fony sy hampody azy, ary nitondra ny mpanompony sy ampondra roa. Nampiantranoin-dravehivavy ho ao an-tranon-drainy izy, ka nony nahita azy ny rain-drazazavavy, dia nandroso hitsena azy an-kafaliana.


Ary hoy izy: «Akory ity fitia hitako teo imasonao, tompoko! Fa nampionona ahy ianao, ary niteny tamin’ny fon’ny ankizy vavinao ianao, na dia tsy tahaka ny anankiray amin’ny ankizy vavinao akory aza aho».


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra