Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 45:27 - Baiboly Katolika

Koa nambaran’izy ireo azy ny teny rehetra nolazain’i Josefa. Rehefa hitany ny sarety nalefan’i Josefa hitondrana azy, dia velombelona terỳ ny fanahin’i Jakôba rainy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nolazain’izy ireo ny teny rehetra izay nolazain’i Josefa taminy. Rehefa hitany ny sarety izay nalefan’i Josefa mba hitondrana azy dia izay vao velona indray ny ain’i Jakoba rainy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa nambaran’izy ireo taminy ny teny rehetra izay nampitondrain’i Jôsefa azy; ary rehefa nahita ny sarety izay nalefan’i Jôsefa hitondrana azy i Jakôba rainy, dia nahazoazo aina indray

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa nambaran’izy ireo taminy ny teny rehetra izay nampitondrain’i Jôsefa azy; ary rehefa nahita ny sarety izay nalefan’i Jôsefa hitondrana azy i Jakôba rainy, dia nahazoazo aina indray

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nolazain’izy ireo ny teny rehetra izay efa nolazain’i Josefa taminy: ary rehefa hitany ny sariety izay efa nampitondrain’i Josefa hitondrana azy, dia izay vao velona indray ny fanahin’i Jakoba rainy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nolazain'izy ireo ny teny rehetra izay efa nolazain'i Josefa taminy: ary rehefa hitany ny sariety izay efa nampitondrain'i Josefa hitondrana azy, dia izay vao velona indray ny fanahin'i Jakoba rainy

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nolazain’izy ireo ny teny rehetra izay nolazain’i Josefa taminy. Rehefa hitany ny sarety izay nalefan’i Josefa mba hitondrana azy dia izay vao velona indray ny ain’i Jakoba rainy.

Jereo ny toko



Genesisy 45:27
8 Rohy Ifampitohizana  

Omeko fahefana ianao hilaza aminy hoe: ‹Izao no hataonareo: Makà sarety amin’ny tany Ejipta hitondranareo ny vady aman-janakareo, alao ny rainareo dia mankanesa aty.


Ka hoy i Israely: «Aoka, fa mbola velona i Josefa zanako, ka handeha aho hahita azy dieny mbola tsy maty.»


Dia ho tezitra mandrakizay aminay va Ianao? dia hampaharetinao mandrakizay va ny haviniranao?


Rano mangatsiaka ho an’ny olona mangetaheta, toy izany ny filazan-java-tsoa, avy any an-tany lavitra.


Fa izao no lazain’ny Avo Indrindra, izay mipetraka amin’ny fonenana mandrakizay sy antsoina hoe ilay Masina: Mitoetra eo amin’ny fitoerana avo sy masina Aho, ary koa ao amin’ny olona torotoro fo sy manetry tena am-panahy, mba hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena, sy hamelombelona ny fon’ny torotoro fo.


fa Izy no namiravira, Izy no hahasitrana antsika; mikapoka Izy, nefa hamehy ny ferintsika koa.


Fa nampitresahin’Andriamanitra kosa ilay vatolampy hoboka tao Lekia, dia niboiboika teo ny rano. Ary velombelona ny fanahiny, nody ny ainy. Izany no niantsoana io loharano io hoe En-Hakôre, izay mbola any Lekia mandraka androany.


norosoana ampempan’aviavy maina iray didy, sy voaloboka maina roa takelaka. Nony efa nihinana izy, dia nody ny ainy, fa hateloana andro sy hateloana alina izy, tsy nihinan-kanina na nisotro rano.