Genesisy 45:15 - Baiboly Katolika Ary nanoroka ireo rahalahiny rehetra koa izy, ka nitomany teo am-pamihinana azy. Izay vao niresaka taminy ireto rahalahiny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nanoroka ny rahalahiny rehetra koa izy ka nitomany teo am-pamihinany azy ireo. Rehefa vita izany dia niresaka taminy ireo rahalahiny. DIEM PROTESTANTA Ary nanoroka ny rahalahiny hafa rehetra koa i Jôsefa sady nitomany. Taorian’izany vao niresaka tamin’i Jôsefa ireo rahalahiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nanoroka ny rahalahiny hafa rehetra koa i Jôsefa sady nitomany. Taorian’izany vao niresaka tamin’i Jôsefa ireo rahalahiny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary dia nanoroka ny rahalahiny rehetra izy ka nitomany teo am-pamihinany azy; ary rehefa afaka izany, dia niresaka taminy ireo rahalahiny. Malagasy Bible Ary dia nanoroka ny rahalahiny rehetra izy ka nitomany teo am-pamihinany azy; ary rehefa afaka izany, dia niresaka taminy ireo rahalahiny. La Bible en Malgache Dia nanoroka ny rahalahiny rehetra koa izy ka nitomany teo am-pamihinany azy ireo. Rehefa vita izany dia niresaka taminy ireo rahalahiny. |
Vao nandre ny filazàny an’i Jakôba zanak’anabaviny i Labàna dia nihazakazaka nitsena azy, ka namihina azy, nanoroka azy, nitondra azy ho any an-tranony. Dia notantarain’i Jakôba tamin’i Labàna izany zavatra rehetra izany,
Dia nihazakazaka nitsena azy i Esao ka namihina azy nisakambina ny vozony, nanoroka azy; ary samy nitomany izy ireo.
Ka nihataka niala teo amin’izy ireo izy, dia nitomany. Nony niverina nankeo amin’izy ireo izy dia niteny taminy, sy naka an’i Simeôna tamin’izy ireo ary nampamatotra azy teo imasony.
Dia namihina ny vozon’i Benjamina rahalahiny izy ka nitomany, ary i Benjamina nitomany teo amin’ny vozony.
Niely ny teny tao an-tranon’i Faraôna fa hoe: «Tonga ny rahalahin’i Josefa, ary samy faly amin’izany i Faraôna sy ny mpanompony.»
dia nampamboatra ny kalesiny i Josefa ka nitaingina teo hitsena an’i Israely rainy any Gesena. Niseho taminy izy, dia niantoraka ka namihina ny vozony, sy nitomany ela teo amin’ny vozony.
Lasa i Jôaba nanatona ny mpanjaka sy nitantara taminy izany zavatra izany. Dia nantsoiny i Absalôma, dia tonga tao amin’ny mpanjaka izy, ary niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’ny mpanjaka ary nanoroka an’i Absalôma ny mpanjaka.
Mahatsiaro an’Andriamanitra aho, dia misento; mieritreritra aho dia reraka ny fanahiko. - Selà
Ary i Iaveh nilaza tamin’i Aarôna hoe: «Mandehana mitsena an’i Môizy any an’efitra.» Dia niainga i Aarôna, ka nifanena tamin’i Môizy teo an-tendrombohitr’Andriamanitra ary nanoroka azy.
Dia niainga izy ka lasa nankany amin-drainy. Mbola lavitra kosa izy, dia nahatazana azy irainy, ka onena nidodododo nitsena azy, ary namihina ny vozony sy nanoroka azy.
Dia nanandratra ny feony izy ireo, ka nitomany indray. Ary i Orfà nanoroka ny rafozany, fa i Rota kosa tsy nahasaraka taminy mihitsy.
Samy hampahitan’i Iaveh fiadanana avy anie ianareo, any amin’ny tranon’izay ho vadinareo». Dia nanoroka azy ireo izy. Ary izy roa vavy kosa nanandratra ny feony, ka nitomany.
Nalain’i Samoela ny tavoara nisy diloilo, naidiny tamin’ny lohan’i Saola, dia norohany izy, sady nataony hoe: «Moa tsy nohosoran’i Iaveh ho mpanapaka amin’ny lovany va ianao?
Vao lasa ilay zazalahy dia nitsangana avy eny atsimo i Davida ary nidaboka tamin’ny tany dia niankohoka intelo, vao nifanoroka izy roa lahy, ka samy rafitra nitomany tamin’ny namany avy izy ireo; ary i Davida nanao ranomaso havozona mihitsy.