Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 29:13 - Baiboly Katolika

13 Vao nandre ny filazàny an’i Jakôba zanak’anabaviny i Labàna dia nihazakazaka nitsena azy, ka namihina azy, nanoroka azy, nitondra azy ho any an-tranony. Dia notantarain’i Jakôba tamin’i Labàna izany zavatra rehetra izany,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Rehefa ren’i Labana ny filazany an’i Jakoba, zanak’anabaviny, dia nihazakazaka nitsena azy izy ka namihina azy sy nanoroka azy ary nitondra azy ho any an-tranony. Dia nambaran’i Jakoba tamin’i Labana izany rehetra izany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

13 Rehefa nandre ny amin’i Jakôba zanak’anabaviny kosa i Labàna, dia nihazakazaka nitsena azy, ka namihina sady nanoroka azy ary nitondra azy ho any an-tranony. Notantarain’i Jakôba tamin’i Labàna avokoa ny zava-nitranga,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Rehefa nandre ny amin’i Jakôba zanak’anabaviny kosa i Labàna, dia nihazakazaka nitsena azy, ka namihina sady nanoroka azy ary nitondra azy ho any an-tranony. Notantarain’i Jakôba tamin’i Labàna avokoa ny zava-nitranga,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ary rehefa ren’i Labana ny filazàny an’i Jakoba, zanak’anabaviny, dia nihazakazaka nitsena azy izy ka namihina azy sy nanoroka azy ary nitondra azy ho any an-tranony. Dia nambaran’i Jakoba tamin’i Labana izany rehetra izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ary rehefa ren'i Labana ny filazany an'i Jakoba, zanak'anabaviny, dia nihazakazaka nitsena azy izy ka namihina azy sy nanoroka azy ary nitondra azy ho any an-tranony. Dia nambaran'i Jakoba tamin'i Labana izany rehetra izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Rehefa ren’i Labana ny filazany an’i Jakoba, zanak’anabaviny, dia nihazakazaka nitsena azy izy ka namihina azy sy nanoroka azy ary nitondra azy ho any an-tranony. Dia nambaran’i Jakoba tamin’i Labana izany rehetra izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 29:13
12 Rohy Ifampitohizana  

Nanana anadahy anankiray atao hoe Labàna i Rebekà, ka nivoaka nihazakazaka i Labàna nankeo amin-dralehilahy teo amin’ny loharano.


«Avia ianao izay notahin’i Iaveh. Nahoana no mijanona aty ivelany ianao? Efa namboatra ny trano aho sy fitoerana ho an’ny rameva.»


Dia niditra tao an-trano ralehilahy. Ary i Labàna kosa nanesotra ny laselin’ny rameva, dia nanome mololo sy vilona ho an’ny rameva, sy rano hanasana ny tongo-dralehilahy sy ny tongotry ny olona nomba azy.


Dia nihazakazaka nitsena azy i Esao ka namihina azy nisakambina ny vozony, nanoroka azy; ary samy nitomany izy ireo.


Ary nanoroka ireo rahalahiny rehetra koa izy, ka nitomany teo am-pamihinana azy. Izay vao niresaka taminy ireto rahalahiny.


Dia hoy ny mpanjaka: «Aoka fa dia i Kamaama no hiaraka amiko, ka ataoko aminy izay rehetra sitrakao, ary hataoko aminao koa izay rehetra irinao amiko.»


Dia nivoaka hitsena ny rafozany i Môizy; ka niankohoka sy nanoroka azy; ary rehefa nifanontany ny toe-pahasalamany avy izy aloha, dia niditra tao an-dain’i Môizy.


Ary i Iaveh nilaza tamin’i Aarôna hoe: «Mandehana mitsena an’i Môizy any an’efitra.» Dia niainga i Aarôna, ka nifanena tamin’i Môizy teo an-tendrombohitr’Andriamanitra ary nanoroka azy.


Ianao tsy nanoroka Ahy, izy kosa tsy nitsahatra nanoroka ny tongotro hatrizay nidirako.


Ary nitomany mafy izy rehetra, sy namihina ny vozon’i Paoly ary nanoroka azy,


Mifampiarahabà amin’ny fanorohana masina. Manao veloma anareo ny Eglizin’i Kristy rehetra.


Mahaiza mitondra tena amin’izay eo ivelany; ary mahaiza manararaotra ny fotoana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra