Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 45:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Ary nanoroka ny rahalahiny hafa rehetra koa i Jôsefa sady nitomany. Taorian’izany vao niresaka tamin’i Jôsefa ireo rahalahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Dia nanoroka ny rahalahiny rehetra koa izy ka nitomany teo am-pamihinany azy ireo. Rehefa vita izany dia niresaka taminy ireo rahalahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Ary nanoroka ny rahalahiny hafa rehetra koa i Jôsefa sady nitomany. Taorian’izany vao niresaka tamin’i Jôsefa ireo rahalahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Ary nanoroka ireo rahalahiny rehetra koa izy, ka nitomany teo am-pamihinana azy. Izay vao niresaka taminy ireto rahalahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Ary dia nanoroka ny rahalahiny rehetra izy ka nitomany teo am-pamihinany azy; ary rehefa afaka izany, dia niresaka taminy ireo rahalahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Ary dia nanoroka ny rahalahiny rehetra izy ka nitomany teo am-pamihinany azy; ary rehefa afaka izany, dia niresaka taminy ireo rahalahiny.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 45:15
17 Rohy Ifampitohizana  

Dia nanoroka an’i Rahely i Jakôba sady nitomany.


Rehefa nandre ny amin’i Jakôba zanak’anabaviny kosa i Labàna, dia nihazakazaka nitsena azy, ka namihina sady nanoroka azy ary nitondra azy ho any an-tranony. Notantarain’i Jakôba tamin’i Labàna avokoa ny zava-nitranga,


Dia nihazakazaka nitsena azy i Hesao, ka namihina ny vozony sady nanoroka azy; ary niara-nitomany izy mirahalahy.


Dia nihodina niala teo anatrehany aloha i Jôsefa mba hitomany. Ary niverina teo amin’ireto rahalahiny indray i Jôsefa ka nilaza taminy fa i Simehôna no hotazoniny, sady nafatony teo imason’izy ireo.


Dia niantoraka teny am-bozon’i Benjamîna i Jôsefa ka nifamihina izy roa lahy sady nitomany.


Ren’ny tao an-dapan’ny Farao fa hoe tonga ny rahalahin’i Jôsefa; ary nahafaly ny Farao sy ireo olona mpanotrona azy izany.


Mafy loatra anefa ny tomanin’i Jôsefa ka ren’ny Ejiptianina maro, ary heno hatrany an-dapan’ny Farao.


dia nanomana ny kalesiny i Jôsefa ka nandeha hihaona amin’ny rainy tany Gôsena. Raha vao nahita an’i Jakôba izy, dia niantoraka teny am-bozony ary nitomany ela teo sady namihina azy.


Ary nankany amin’ny mpanjaka i Jôaba ka nilaza izany taminy. Nampiantsoin’ny mpanjaka i Absalôma, dia nankao aminy; ka niankohoka nitehi-tany izy teo anatrehany. Ary nanoroka an’i Absalôma ny mpanjaka.


Mahatsiaro an’Andriamanitra aho, ka misento; raha vao mieritreritra aho, dia rera-tsaina. Fiatoana


Dia niteny tamin’i Aharôna ny TOMPO hoe: –Mandehana mankany an-taniefitra hitsena an’i Mosesy. Dia nandeha i Aharôna ary nifanehatra taminy tao an-tendrombohitr’Andriamanitra, ka nanoroka azy.


Dia lasa tokoa izy nody any amin-drainy. Raha mbola lavitra ny trano ilay zatovo, dia tazan-drainy. Onena azy tokoa irainy ka nihazakazaka nitsena, ary namihina ny vozony sy nanoroka azy.


Nitomany avokoa ireo loholona ary samy namihina an’i Paoly sady nanoroka azy.


Dia nanandram-peo nitomany indray izy roa vavy. Ary nanoroka an-drafozambaviny i Hôrpà ho fanaovam-beloma azy, fa i Rota kosa nifikitra teo aminy.


Homen’ny TOMPO vady anie ianareo, ka hahita fiadanana ao an-tranon’ny vadinareo avy! Dia norohan’i Nahômỳ ireto vinantovaviny; fa nanandram-peo nitomany izy roa vavy


Dia nandray tavoahangy kely feno diloilo i Samoela ka nandraraka izany teo an-dohan’i Saoly. Ary nanoroka an’i Saoly izy sady nanao hoe: –Ny TOMPO mihitsy no nanokana anao ho filohan’ilay vahoakany.


Rehefa lasa ilay mpanompo, dia nivoaka avy tao amin’ny fiereny teo atsimon’ny antontam-bato i Davida, ary niankohoka intelo tamin’ny tany teo anatrehan’i Jônatàna. Dia nifanoroka izy roa lahy ka niara-nitomany mandra-pitsahatr’i Davida.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra