Ary hoy i Abrahama: «Enga anie ka tsy hahatezitra ny Tompo, raha mbola miteny aho: Angamba telopolo izy no ho hita ao.» Dia hoy izy: «Tsy hanao izany Aho raha telopolo no hitako ao.»
Genesisy 44:18 - Baiboly Katolika Ary tamin’izay i Jodà nanatona an’i Josefa ka nanao hoe: «Mihanta aminao aho, tompokolahy, mba hahazo lalana sy mpanomponao hiteny indraimbava eto anatrehan’ny tompoko, ka aoka tsy hirehitra amin’ny mpanomponao ny fahatezeranao, fa sahala amin’i Faraôna ianao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nanatona azy i Joda ka niteny hoe: Azafady, tompokolahy, aoka ny mpanomponao handaha-teny kely eto anatrehan’i tompokolahy, ary aoka tsy mba hirehitra amin’ny mpanomponao ny fahatezeranao; fa tahaka an’i Farao ianao! DIEM PROTESTANTA Fa nanatona azy i Joda ka nanao hoe: –Tompokolahy ô, ianao no mitovy amin’ny Farao. Koa azafady, tompoko, raha mba hiteny kely aminao aho ary aoka tsy ho tezitra ianao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa nanatona azy i Joda ka nanao hoe: –Tompokolahy ô, ianao no mitovy amin’ny Farao. Koa azafady, tompoko, raha mba hiteny kely aminao aho ary aoka tsy ho tezitra ianao. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nanatona azy Joda ka nanao hoe: Mba henoy kely aho, tompokolahy, aoka ny mpanomponao handaha-teny kely eto anatrehan’itompokolahy, ary aoka tsy mba hirehitra amin’ny mpanomponao ny fahatezeranao; fa tahaka an’i Farao hianao. Malagasy Bible Dia nanatona azy Joda ka nanao hoe: Mba henoy kely aho, tompokolahy, aoka ny mpanomponao handaha-teny kely eto anatrehan'itompokolahy, ary aoka tsy mba hirehitra amin'ny mpanomponao ny fahatezeranao; fa tahaka an'i Farao ianao. La Bible en Malgache Dia nanatona azy i Joda ka niteny hoe: Azafady, tompokolahy, aoka ny mpanomponao handaha-teny kely eto anatrehan’i tompokolahy, ary aoka tsy mba hirehitra amin’ny mpanomponao ny fahatezeranao; fa tahaka an’i Farao ianao! |
Ary hoy i Abrahama: «Enga anie ka tsy hahatezitra ny Tompo, raha mbola miteny aho: Angamba telopolo izy no ho hita ao.» Dia hoy izy: «Tsy hanao izany Aho raha telopolo no hitako ao.»
Hoy i Abrahama: «Enga anie ka tsy ho tezitra ny Tompo, fa tsy hiteny intsony afa-tsy ity indray mandeha ity aho: Angamba folo izy no ho hita ao.» Dia hoy Izy: «Tsy handringana azy Aho noho ireo folo ireo.»
Nifehy amboara teny an-tsaha, hono, isika, ary indro niarina ny amboarako ka tafajoro; fa nilahatra nanodidina ny ahy kosa ny amboaranareo, sady niankohoka teo anatrehany.»
Ary hoy ireo rahalahiny taminy: «Dia hanjaka aminay ve ianao e, ary dia ho eo ambany fanapahanao ve izahay e?» Izany nofiny aman-teniny izany, no vao mainka koa nankahalàny azy.
Koa dia ianao no hanapaka ny momba ny tranoko, ary ny vahoaka rehetra hanaraka ny teninao; ny seza fiandrianana ihany no haha-ambony ahy noho ianao.»
Ary hoy i Faraôna tamin’i Josefa: «Izaho no Faraôna, ary raha tsy teninao, tsy hisy hanainga ny tanany na ny tongony eto amin’ny tany Ejipta rehetra.»
Fa hoy i Josefa: «Sanatria ahy ny hanao izany. Izay olona nahitana ny kôpiko no ho andevoko, fa ianareo, miakara soa aman-tsara ho any amin-drainareo.»
Hoy ravehivavy: «Aza mahafady ny ankizy vavinao, fa hilaza teny indraimbava amin’ny mpanjaka tompoko aho, raha sitrakao.» Hoy ny navaliny: «Lazao.»
Mandra-pahoviana, ry Iaveh, no hisafoaka hanontolo fo Ianao, sy hirehetan’ny hatezeranao hoatra ny afo?
Hoy i Aarôna namaly azy: «Aoka re mba tsy hirehitra ny fahatezeran’ny tompoko. Fa na ny tenanao aza dia mahalala fa mitongilana amin’ny ratsy ity vahoaka ity.
Tahaka ny fieron’ny liona ny hatezeran’ny mpanjaka; ary tahaka ny ando amin’ny ahitra ny fanambinany.
Ry hava-malala, aoka holazaiko marimarina aminareo fa ny amin’i Davida razantsika dia efa maty izy ka nalevina, ary eto amintsika mandraka androany ny fasany.