Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 41:40 - Baiboly Katolika

40 Koa dia ianao no hanapaka ny momba ny tranoko, ary ny vahoaka rehetra hanaraka ny teninao; ny seza fiandrianana ihany no haha-ambony ahy noho ianao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

40 Koa ianao no hanapaka ny ato an-tranoko, ary araka ny teninao no hitondrana ny oloko rehetra. Ny sezafiandrianana ihany no hahalehibe ahy noho ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

40 Koa ianao no hitantana ny fanjakako, ary ny vahoakako rehetra dia hankato ny baikonao, ka ny maha mpanjaka ahy ihany no maha ambony ahy noho ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

40 Koa ianao no hitantana ny fanjakako, ary ny vahoakako rehetra dia hankato ny baikonao, ka ny maha mpanjaka ahy ihany no maha ambony ahy noho ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

40 koa hianao no hanapaka ny ato an-tranoko, ary araka ny teninao no hitondrana ny oloko rehetra; ny seza fiandrianana ihany no hahalehibe ahy noho hianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

40 koa ianao no hanapaka ny ato an-tranoko, ary araka ny teninao no hitondrana ny oloko rehetra; ny seza fiandrianana ihany no hahalehibe ahy noho ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

40 Koa ianao no hanapaka ny ato an-tranoko, ary araka ny teninao no hitondrana ny oloko rehetra. Ny sezafiandrianana ihany no hahalehibe ahy noho ianao.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 41:40
16 Rohy Ifampitohizana  

Tsy lehibe noho izaho izy ato an-trano; ianao irery no narovany tamiko, fa vadiny ianao. Koa ataoko ahoana no fanao izany ratsy lehibe izany, sy hanota amin’Andriamanitra?»


Ary tamin’izay i Jodà nanatona an’i Josefa ka nanao hoe: «Mihanta aminao aho, tompokolahy, mba hahazo lalana sy mpanomponao hiteny indraimbava eto anatrehan’ny tompoko, ka aoka tsy hirehitra amin’ny mpanomponao ny fahatezeranao, fa sahala amin’i Faraôna ianao.


Hoy izy taminy: «Mbola velona i Josefa, ary izy aza no manapaka ny tany Ejipta». Fa tsy nihontsina akory ny fon’i Jakôba, satria tsy nino azy ireo izy.


ka nety ho voangoly mangingina ny foko; raha nataoko teo am-bavako ny tanako,


Orohy ny Zanaka fandrao tezitra izy; ka ho very any amin’ny lalanareo ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny hatezerany. Sambatra izay rehetra matoky Azy.


Mahita olona mailaka amin’ny raharahany va ianao? Ho eo anilan’ny mpanjaka no honenany, fa tsy mba hifanila fonenana amin’ny olona ambany izy.


Fa noesoriny tamin’ny fahoriany rehetra izy, sady nomeny fahendrena, ka nankasitrahin’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta, mbamin’izay rehetra tao an-dapany.


Nalain’i Samoela ny tavoara nisy diloilo, naidiny tamin’ny lohan’i Saola, dia norohany izy, sady nataony hoe: «Moa tsy nohosoran’i Iaveh ho mpanapaka amin’ny lovany va ianao?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra