Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 41:40 - DIEM PROTESTANTA

40 Koa ianao no hitantana ny fanjakako, ary ny vahoakako rehetra dia hankato ny baikonao, ka ny maha mpanjaka ahy ihany no maha ambony ahy noho ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

40 Koa ianao no hanapaka ny ato an-tranoko, ary araka ny teninao no hitondrana ny oloko rehetra. Ny sezafiandrianana ihany no hahalehibe ahy noho ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

40 Koa ianao no hitantana ny fanjakako, ary ny vahoakako rehetra dia hankato ny baikonao, ka ny maha mpanjaka ahy ihany no maha ambony ahy noho ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

40 Koa dia ianao no hanapaka ny momba ny tranoko, ary ny vahoaka rehetra hanaraka ny teninao; ny seza fiandrianana ihany no haha-ambony ahy noho ianao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

40 koa hianao no hanapaka ny ato an-tranoko, ary araka ny teninao no hitondrana ny oloko rehetra; ny seza fiandrianana ihany no hahalehibe ahy noho hianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

40 koa ianao no hanapaka ny ato an-tranoko, ary araka ny teninao no hitondrana ny oloko rehetra; ny seza fiandrianana ihany no hahalehibe ahy noho ianao.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 41:40
16 Rohy Ifampitohizana  

Ary na ato an-trano aza dia tsy manana fahefana noho izaho izy; ka tsy nisy nandrarany ahy, afa-tsy ianao izay vadiny. Koa ahoana no ahazoako manao zava-dratsy lehibe toy izany, ka hanotako amin’Andriamanitra?


Fa nanatona azy i Joda ka nanao hoe: –Tompokolahy ô, ianao no mitovy amin’ny Farao. Koa azafady, tompoko, raha mba hiteny kely aminao aho ary aoka tsy ho tezitra ianao.


Notantarainy azy fa mbola velona any i Jôsefa ary izy mihitsy no mpanapaka eo amin’ny tany Ejipta manontolo; saingy tsy nampiraika an’i Jakôba izany, satria tsy nino ireto zanany izy.


I Môrdôkay, ilay Jiosy, no olona ambony indrindra nanarakaraka ny amperôra Kserksesa teo amin’ny fanjakana; sady nalaza sy mamy hoditra izy teo amin’ny Jiosy rehetra mpiray firenena aminy, noho izy nitady hahasoa ny fireneny sy nanao didy hiadanan’ny olona rehetra iray firazanana aminy.


Tatỳ aorian’izany, dia nomen’ny amperôra Kserksesa laharana ambony i Hamàna zanakalahin’i Hamedatà sady taranak’i Agaga, ka nasandrany hipetraka eo amin’ny toerana maha praiminisitra.


moa voababo mangingina hitsaoka azy ve ny foko, ary moa nanoroka tanana ve aho ho fanajana azy?


Jereo io olona manao tsara ny asany io: ho afa-miasa eo anatrehan’ny mpanjaka izy toy izay ho mpiasa tsy misy mpahalala.


Niaraka tamin’izay dia nanome baiko i Belsatsara mba hampiakanjoina jaky i Daniela sady hasiana rojo volamena ny vozony. Ary nasainy nambara am-pahabemaso koa fa i Daniela dia isan’ny telo lahy mpiara-mitantana eo amin’ny fanjakana.


Ary teo ambonin’ireo dia nisy telo lahy mpitantan-draharaha, ka i Daniela ny anankiray; izy telo lahy no hanaovan’ireo solotenan’andriamanjaka tatitra mba tsy hisy hanimba ny tombon-tsoan’ny mpanjaka.


ka nafahany tamin’ny fahoriana rehetra ary nataony mamy hoditra sy nomeny fahendrena teo anatrehan’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta. Dia notendren’ny Farao ho mpifehy an’i Ejipta sy ny tao an-dapany rehetra i Jôsefa.


Dia nandray tavoahangy kely feno diloilo i Samoela ka nandraraka izany teo an-dohan’i Saoly. Ary nanoroka an’i Saoly izy sady nanao hoe: –Ny TOMPO mihitsy no nanokana anao ho filohan’ilay vahoakany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra