Genesisy 18:32 - Baiboly Katolika32 Hoy i Abrahama: «Enga anie ka tsy ho tezitra ny Tompo, fa tsy hiteny intsony afa-tsy ity indray mandeha ity aho: Angamba folo izy no ho hita ao.» Dia hoy Izy: «Tsy handringana azy Aho noho ireo folo ireo.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201132 Dia nanohy indray i Abrahama: Aoka anie mba tsy ho tezitra Ianao, Tompo ô, fa hiteny izao indray mandeha izao ihany aho: Angamba folo no ho hita ao. Ary hoy NY TOMPO: Tsy mba handringana Aho noho ny folo. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA32 Ka hoy indray i Abrahama: –Miangavy re, Tompo ô, aoka tsy ho tezitra Ianao fa hiteny farany aho. Angamba tsy hahitana afa-tsy folo ao. Ary novalian’ny Tompo hoe: –Tsy handrava ny tanàna Aho noho ny amin’ireo folo. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara32 Ka hoy indray i Abrahama: –Miangavy re, Tompo ô, aoka tsy ho tezitra Ianao fa hiteny farany aho. Angamba tsy hahitana afa-tsy folo ao. Ary novalian’ny Tompo hoe: –Tsy handrava ny tanàna Aho noho ny amin’ireo folo. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy32 Ary hoy izy: Aoka anie mba tsy ho tezitra Hianao, Tompo, ô, fa hiteny izao indray mandeha izao ihany aho: Angamba folo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringana Aho noho ny folo. Jereo ny tokoMalagasy Bible32 Ary hoy izy: Aoka anie mba tsy ho tezitra Hianao, Tompo, fa hiteny izao indray mandeha izao ihany aho: Angamba folo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringana Aho noho ny folo. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache32 Dia nanohy indray i Abrahama: Aoka anie mba tsy ho tezitra Ianao, Tompo ô, fa hiteny izao indray mandeha izao ihany aho: Angamba folo no ho hita ao. Ary hoy NY TOMPO: Tsy mba handringana Aho noho ny folo. Jereo ny toko |