Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 18:32 - DIEM PROTESTANTA

32 Ka hoy indray i Abrahama: –Miangavy re, Tompo ô, aoka tsy ho tezitra Ianao fa hiteny farany aho. Angamba tsy hahitana afa-tsy folo ao. Ary novalian’ny Tompo hoe: –Tsy handrava ny tanàna Aho noho ny amin’ireo folo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

32 Dia nanohy indray i Abrahama: Aoka anie mba tsy ho tezitra Ianao, Tompo ô, fa hiteny izao indray mandeha izao ihany aho: Angamba folo no ho hita ao. Ary hoy NY TOMPO: Tsy mba handringana Aho noho ny folo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

32 Ka hoy indray i Abrahama: –Miangavy re, Tompo ô, aoka tsy ho tezitra Ianao fa hiteny farany aho. Angamba tsy hahitana afa-tsy folo ao. Ary novalian’ny Tompo hoe: –Tsy handrava ny tanàna Aho noho ny amin’ireo folo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

32 Hoy i Abrahama: «Enga anie ka tsy ho tezitra ny Tompo, fa tsy hiteny intsony afa-tsy ity indray mandeha ity aho: Angamba folo izy no ho hita ao.» Dia hoy Izy: «Tsy handringana azy Aho noho ireo folo ireo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

32 Ary hoy izy: Aoka anie mba tsy ho tezitra Hianao, Tompo, ô, fa hiteny izao indray mandeha izao ihany aho: Angamba folo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringana Aho noho ny folo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

32 Ary hoy izy: Aoka anie mba tsy ho tezitra Hianao, Tompo, fa hiteny izao indray mandeha izao ihany aho: Angamba folo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringana Aho noho ny folo.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 18:32
21 Rohy Ifampitohizana  

Fa niteny indray i Abrahama hoe: –Aoka tsy ho sosotra Ianao, Tompo ô, raha mbola hiteny aho. Angamba tsy hahitana afa-tsy telopolo ao. Ka novalian’ny Tompo hoe: –Tsy handrava ny tanàna Aho, raha mahita olo-marina telopolo ao.


Dia hoy ihany i Abrahama: –Miangavy re, Tompo ô, fa mbola sahy hiteny aminao ihany aho; angamba tsy hahitana afa-tsy roapolo ao. Fa novalian’ny Tompo hoe: –Tsy handrava ny tanàna Aho noho ny amin’ny olo-marina roapolo.


Fa nanatona azy i Joda ka nanao hoe: –Tompokolahy ô, ianao no mitovy amin’ny Farao. Koa azafady, tompoko, raha mba hiteny kely aminao aho ary aoka tsy ho tezitra ianao.


Raha misy anjely iray ao anatin’ny arivo tonga mba hanampy io olona io ka hampahafantatra azy ny adidiny,


Tompo ô, Ianao no tsara fo sady mpamela heloka, be fitia amin’izay rehetra miantso Anao.


Dia najanon’ny TOMPO tamin’izay ny loza nolazainy hamelezana ny vahoakany.


Halan’ny TOMPO ny sorona aterin’ny olon-dratsy; fa sitrany kosa ny vavaky ny olo-mahitsy.


Izao no lazain’ny TOMPO: Rehefa ahitana sampaho mamy eo amin’ny rantsam-boaloboka iray dia ataon’ny olona hoe: «Aza simbana izany, fa misy fitahiana hahazoan-divay tsara eo aminy»; ho tahaka izany koa no hataoko amin’ny mpanompoko mba tsy hosimbako izy rehetra.


Mandehana mivezivezy eny an-dalamben’i Jerosalema ianareo; dia jereo tsara sy hadihadio, tadiavo eny amin’ny toera-malalaka raha mahita olona anankiray manao ny mahitsy sy ny rariny ianareo; fa raha mahita anankiray monja ianareo dia havelako ny helok’i Jerosalema.


Tsy misy andriamanitra mitovy aminao, ry TOMPO mpanaisotra ny heloka. sy mpamela ny fahadisoana. Noho ireo sisa velona aminay vahoaka fanananao, dia tsy mitahiry fahatezerana mandrakizay Ianao fa tia maneho fitiavana aminay.


–Mangataha dia homena ianareo; mitadiava dia hahita ianareo; dondòny dia hovohàna ianareo.


Ary ho an’Andriamanitra Izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay angatahintsika na heverintsika aza, araka ny heriny miasa ato amintsika,


Ary hoy indray izy tamin’Andriamanitra: –Aoka mba tsy hirehi-pahatezerana amiko Ianao raha mbola angatahiko zavatra indray mandeha! Te hahazo porofo farany ny amin’ny volon’ondry aho: ka amin’ity indray mandeha ity dia aoka ny volon’ondry ihany no ho maina, fa ny tany manodidina azy kosa ho lenan’ny ando avokoa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra