Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 43:34 - Baiboly Katolika

Nasainy nitondrana anjara fihinanana avy teo anoloany ihany izy, nefa ny anjaran’i Benjamina dia indimy hoatra ny anjaran-drery tamin’izy rehetra. Ary niara-nisotro divay taminy tamim-piravoravoana izy ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary samy nitondrana anjara sakafo teo anoloan’i Josefa avy izy mirahalahy; kanefa ny anjaran’i Benjamina dia indimin’ny anjaran’ny iray tamin’izy rehetra. Dia niara-nisotro sy nivoky divay teo aminy izy ireo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nasain’i Jôsefa samy norosoana ny sakafo matsiro avy teo anatrehany izy mirahalahy avy, fa ny an’i Benjamîna dia nataony indimy tahaka ny anjaran-drery tamin’ireo zokiny rehetra. Dia nanaram-po nisotro divay niaraka tamin’i Jôsefa izy ireo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nasain’i Jôsefa samy norosoana ny sakafo matsiro avy teo anatrehany izy mirahalahy avy, fa ny an’i Benjamîna dia nataony indimy tahaka ny anjaran-drery tamin’ireo zokiny rehetra. Dia nanaram-po nisotro divay niaraka tamin’i Jôsefa izy ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary samy nitondrana anjara-hanina avy teo anoloan’i Josefa izy mirahalahy avy; kanefa ny anjara-hanin’i Benjamina dia indimy toraka ny anjaran-drery tamin’izy rehetra. Dia niara-nisotro sy nivoky divay teo aminy izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary samy nitondrana anjara-hanina avy teo anoloan'i Josefa izy mirahalahy avy; kanefa ny anjara-hanin'i Benjamina dia indimy toraka ny anjaran-drery tamin'izy rehetra. Dia niara-nisotro sy nivoky divay teo aminy izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary samy nitondrana anjara sakafo teo anoloan’i Josefa avy izy mirahalahy; kanefa ny anjaran’i Benjamina dia indimin’ny anjaran’ny iray tamin’izy rehetra. Dia niara-nisotro sy nivoky divay teo aminy izy ireo.

Jereo ny toko



Genesisy 43:34
12 Rohy Ifampitohizana  

Zana-dRasela: Josefa sy Benjamina.


Izy rehetra nomeny akanjo indray miova avy; i Benjamina nomeny volafotsy telon-jato farantsa sy akanjo indimy miova.


Izay i Davida vao nanao tamin’i Oria hoe: «Andeha àry midina any an-tranonao, dia manasa ny tongotrao.» Nivoaka ny tranon’ny mpanjaka i Oria, nampanarahina nahandro fanomezana avy amin’ny mpanjaka;


Fa ny efa ho faty no omeo toaka, ary ny efa vontom-pahoriana ny fanahiny no omeo divay;


Misakafo ny olona hiaranana amin’ny fahafinaretana; ny divay maharavoravo ny fiainana, ary ny vola, ahazoana ny zavatra rehetra.


Mandehana, hano an-kafaliana ny mofonao, ary sotroy am-piravoravoam-po ny divainao; fa efa asehon’Andriamanitra ny fankasitrahany ny asanao.


Efa tafiditra ny tanimboliko aho, ry anabaviko voafofo, efa nioty ny mirako aman-java-manitra aho; efa nihinana ny toho-tantely aman-tanteliko aho...! efa nisotro ny divay aman-drononoko aho...! Mihinàna, ry sakaiza, misotroa, mimamoa, ianareo olon-tiako!


Satria indro Aho hamoky ny Kaldeanina, firenena masiaka sy mirehidrehitra, izay mandroso ho any amin’ireo tany midadasika be mba haka fonenana izay tsy azy.


Tonga indray ny Zanak’olona, mihinana sy misotro, lazain’ny olona hoe: Lehilahy lian-kanina io, sady mpisotro divay sy sakaizan’ny Poblikanina mbamin’ny olon-dratsy fiaina rehetra. Fa efa nohamarinin’ny zanany ny Fahendrena.


ka nanao taminy hoe: «Ny an’ny olona rehetra, dia ny divay tsara no arosony aloha, ary rehefa nisotro be ny olona vao arosony izay tsy tsara loatra; fa ny anao kosa, dia ny divay tsara indray no notahirizinao mandraka ankehitriny.»


ary i Anà nomeny anjaran-droa satria tiany i Anà, ary nataon’i Iaveh momba.