Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 43:34 - DIEM PROTESTANTA

34 Nasain’i Jôsefa samy norosoana ny sakafo matsiro avy teo anatrehany izy mirahalahy avy, fa ny an’i Benjamîna dia nataony indimy tahaka ny anjaran-drery tamin’ireo zokiny rehetra. Dia nanaram-po nisotro divay niaraka tamin’i Jôsefa izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

34 Ary samy nitondrana anjara sakafo teo anoloan’i Josefa avy izy mirahalahy; kanefa ny anjaran’i Benjamina dia indimin’ny anjaran’ny iray tamin’izy rehetra. Dia niara-nisotro sy nivoky divay teo aminy izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

34 Nasain’i Jôsefa samy norosoana ny sakafo matsiro avy teo anatrehany izy mirahalahy avy, fa ny an’i Benjamîna dia nataony indimy tahaka ny anjaran-drery tamin’ireo zokiny rehetra. Dia nanaram-po nisotro divay niaraka tamin’i Jôsefa izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

34 Nasainy nitondrana anjara fihinanana avy teo anoloany ihany izy, nefa ny anjaran’i Benjamina dia indimy hoatra ny anjaran-drery tamin’izy rehetra. Ary niara-nisotro divay taminy tamim-piravoravoana izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

34 Ary samy nitondrana anjara-hanina avy teo anoloan’i Josefa izy mirahalahy avy; kanefa ny anjara-hanin’i Benjamina dia indimy toraka ny anjaran-drery tamin’izy rehetra. Dia niara-nisotro sy nivoky divay teo aminy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

34 Ary samy nitondrana anjara-hanina avy teo anoloan'i Josefa izy mirahalahy avy; kanefa ny anjara-hanin'i Benjamina dia indimy toraka ny anjaran-drery tamin'izy rehetra. Dia niara-nisotro sy nivoky divay teo aminy izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 43:34
12 Rohy Ifampitohizana  

I Jôsefa sy i Benjamîna kosa no zanany tamin’i Rahely.


Nomeny akanjo indray misolo avy koa izy rehetra, fa i Benjamîna kosa nomeny sekela volafotsy telonjato sy akanjo dimy.


Dia hoy i Davida tamin’i Orià: –Mandehana mody ary makà aina kely. Nandao ny lapan’ny mpanjaka i Orià narahina fanomezana avy taminy.


Aoka izay efa ho faty no homena toaka ary izay fadiranovana no hotoloran-divay;


Manao sakafo ireo lehibe mba hikoranany; ny divay kosa maharavoravo ny ainy; ary ny vola no hahazoany manao izany rehetra izany.


Noho izany, hano amim-pifaliana ny haninao ary sotroy amin’ny fo ravoravo ny divainao, satria efa sitrak’Andriamanitra ireo asanao.


Tonga eto an-jaridainako aho, ry havako fofombadiko, ka mioty ny miorako mbamin’ny zava-manitro, sy mihinan-tantely avy amin’ny tohotra, ary misotro ny divaiko sy ny rononoko. «Mihinàna ianareo, ry sakaiza, ka misotroa; ary aoka ianareo ho sondriam-pitia.»


Fa indro antsoiko ny Babilônianina, dia ilay firenena masiaka sy tsy mivatravatra; mitety faritra midadasika ireo hakàny ny tanin’ny sasany.


Tonga indray ny Zanak’olona, mihinana sy misotro, nefa lazaina hoe: «Olona tendan-kanina sy mpiboboka divay, sakaizan’ny mpamory hetra sy ny mpanota!» Andriamanitra kosa, araka ny fahendreny, dia asehon’ny asany ho marina.


ka nilaza taminy hoe: –Ny an’ny olona rehetra dia ny divay tsara no arosony aloha; ary rehefa mamomamo ny nasaina, vao arosony izay ratsiratsy kokoa. Fa ianao kosa dia nitahiry ny divay tsara hatramin’izao!


fa i Hanà kosa dia notolorany anjara manokana, satria tiany aoka izany izy na dia nataon’ny TOMPO momba aza.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra