Ka hateloana sisa dia hasandratr’i Faraôna ny lohanao, haveriny amin’ny raharahanao indray ianao, ka hametraka ny kôpin’i Faraôna ho eo an-tanany ianao, araka ny raharahanao teo aloha, fony ianao mpandroso divay azy.
Genesisy 40:19 - Baiboly Katolika Ka hateloana sisa dia hesorin’i Faraôna ho afaka aminao ny lohanao, ary hahantony amin’ny hazo ianao, ka hohanin’ny vorona ny nofonao eo aminao.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ato anatin’ny hateloana dia hasandratr’i Farao ho afaka aminao ny lohanao ka hahantony amin’ny hazo ianao dia hohanin’ny vorona ny nofonao. DIEM PROTESTANTA Ato anatin’ny telo andro dia hoesorin’ny Farao amin’ny toeram-boninahitrao ianao, ka hahantony amin’ny hazo; dia ho avy ny voro-manidina hihinana ny nofonao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ato anatin’ny telo andro dia hoesorin’ny Farao amin’ny toeram-boninahitrao ianao, ka hahantony amin’ny hazo; dia ho avy ny voro-manidina hihinana ny nofonao. Baiboly Protestanta Malagasy Ato anatin’ny hateloana dia hasandratr’i Farao ho afaka aminao ny lohanao, (ka hahantony amin’ny hazo hianao) dia hohanin’ny vorona ny nofonao. Malagasy Bible Ato anatin'ny hateloana dia hasandratr'i Farao ho afaka aminao ny lohanao, (ka hahantony amin'ny hazo ianao) dia hohanin'ny vorona ny nofonao. La Bible en Malgache Ato anatin’ny hateloana dia hasandratr’i Farao ho afaka aminao ny lohanao ka hahantony amin’ny hazo ianao dia hohanin’ny vorona ny nofonao. |
Ka hateloana sisa dia hasandratr’i Faraôna ny lohanao, haveriny amin’ny raharahanao indray ianao, ka hametraka ny kôpin’i Faraôna ho eo an-tanany ianao, araka ny raharahanao teo aloha, fony ianao mpandroso divay azy.
ka tao anatin’ilay garaba ambony indrindra, nisy ny mofomamy isan-karazany rehetra ho an’i Faraôna, ary nohanin’ny vorona tao anaty garaba nololohaviko ireny.»
Nony tamin’ny andro fahatelo, izay fitsingerenan’ny andro nahaterahan’i Faraôna, dia nanao fanasana ho an’ny mpanompony rehetra i Faraôna, ka samy nasandrany tokoa ny lohan’ny lehiben’ny mpandroso divay sy ny lohan’ny lehiben’ny mpitantana mofo;
fa ny lehiben’ny mpitantana mofo kosa, nasainy nahantona; dia samy araka ny nivoasan’i Josefa ny nofiny taminy avy izany.
ary tanteraka ny zavatra, araka ny hevitra nambarany, fa izaho moa, naverin’i Faraôna amin’ny raharahako; izy kosa nahantona.»
Nalain-dResfà zanak’i Aià kosa ny lasàka anankiray ka novelariny teo ambony vato mba ho azy, dia teo izy hatramin’ny fiandohan’ny fijinjana ka mandra-pilatsaky ny orana avy any an-danitra tamin’ireo faty, ka nisakana ny vorona any an-danitra tsy hipetraka aminy raha antoandro, sy ny biby eny an-tsaha raha alina.
Ka tolory fito lahy amin’ny taranany izahay mba hahantonay eo anatrehan’i Iaveh, any Gabaàn’i Saola, ilay voafidin’i Iaveh.» Dia hoy ny mpanjaka: «Hatolotro ireo.»
Ny maso maniratsira ny ray, sy maneso ny fanoavan-dreny, dia hogorobahin’ny goaika eny an-dohasahan-driaka, sy hohanin’ny zana-boromahery.
Hitsingidina eny an-tendrombohitr’i Israely ianao, dia ianao sy ny antoko-miaramila rehetra, mbamin’ireo firenena hiaraka aminao; ny vorona mpihaza, ny vorona isan-karazany, mbamin’ny bibin’ny tany no hanolorako anao mba hohaniny.
satria efa nambarako avokoa fa tsy nisy nafeniko taminareo ny sitrapon’Andriamanitra rehetra.
Nanafaka antsika tamin’ny ozon’ny Lalàna anefa i Kristy, fa tonga voaozona hisolo antsika satria voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo,
Raha efa izany dia nasian’i Jôsoe ireo, ka nataony maty, ary nahantony tamin’ny hazo dimy, ka nihantona teo mandra-paharivan’ny andro.
Nasainy nahantona tamin’ny hazo anankiray ny mpanjakan’i Haia, ka navelany teo mandra-paharivan’ny andro. Nony maty ny masoandro dia nasain’i Jôsoe nesorina teo amin’ny hazo ny fatiny, ka natsipy tao am-bavahadin’ny tanàna, sy notsindriana antontam-bato lehibe izay mbola ao mandraka androany.
Ary hoy ilay Filistinina tamin’i Davida hoe: «Mankanesa etỳ amiko ange ialahy, raha tsy omeko ny voromanidina sy ny biby any an-tsaha ny nofon’ialahy e!»
Anio dia hatolotr’i Iaveh eo an-tanako ianao, ka hasiako ianao, ary hoesoriko eo amboninao ny lohanao; anio dia homeko ny voromanidina any an-danitra sy ny bibin’ny tany ny fatin’ny tafiky ny Filistinina, ka ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra Israely;