Genesisy 30:6 - Baiboly Katolika Ka hoy i Rasela: «Nomen’Andriamanitra ny rariny aho, ary nohenoiny ny feoko, ka nomeny zazalahy aho.» Izany no nanaovany ny anarany hoe i Dana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy Rahely: Andriamanitra nanome rariny ahy sady nihaino ny feoko ka nomeny zazalahy aho. Izany no nanaovany ny anarany hoe Dana. DIEM PROTESTANTA Dia hoy i Rahely hoe: –Andriamanitra efa nanome rariny ahy ka nihaino ny fangatahako, ary nanome ahy zanakalahy. Dia nataony hoe Dana ny anarany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy i Rahely hoe: –Andriamanitra efa nanome rariny ahy ka nihaino ny fangatahako, ary nanome ahy zanakalahy. Dia nataony hoe Dana ny anarany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Rahely: Andriamanitra efa nanome ahy ny rariny sady efa nihaino ny feoko, ka nomeny zazalahy aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Dana. Malagasy Bible Ary hoy Rahely: Andriamanitra efa nanome ahy ny rariny sady efa nihaino ny feoko, ka nomeny zazalahy aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Dana. La Bible en Malgache Ary hoy Rahely: Andriamanitra nanome rariny ahy sady nihaino ny feoko ka nomeny zazalahy aho. Izany no nanaovany ny anarany hoe Dana. |
Ary nanana anaka indray i Balà, ankizy vavin-dRasela, dia nitera-dahy fanindroany tamin’i Jakôba,
Tsarao araka ny fahamarinanao aho, ry Iaveh Andriamanitro ô, ary aoka tsy ho foto-pifaliany aho.
Omeo rariny aho, Andriamanitra ô; iandraiketo ny adiko amin’ny firenena mpamadika, afaho amin’ny olona mpamitaka sy mpanao ratsy aho!
Ny terak’i Dana, ny taranak’ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rehefa nisaina ny anarany hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatàm-piadiana,
ary ireto no hitoetra hanozona ao an-tendrombohitra Hebala: I Robena, i Gada, i Asera, i Zabolôna, i Dana, ary i Neftalì.