Dia nampandrosoin’i Isaaka i Rebekà ho ao an-dain’i Sarà reniny, sady nampakariny ho vady. Ary tia azy izy, ka nionona ny alahelony an-dreniny.
Genesisy 29:18 - Baiboly Katolika Ary i Jakôba tia an-dRasela ka nanao hoe: «Hanompo anao fito taona aho, mba hahazoako an-dRasela zanakao vavy aivo.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Jakoba dia tia an’i Rahely ka niteny hoe: Aoka aho hanompo anao fito taona noho ny amin’i Rahely, zanakao faravavy. DIEM PROTESTANTA Ary tia an’i Rahely i Jakôba ka niteny tamin’i Labàna hoe: –Hanompo anao fito taona aho mba hahazoako manambady an’i Rahely faravavinao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary tia an’i Rahely i Jakôba ka niteny tamin’i Labàna hoe: –Hanompo anao fito taona aho mba hahazoako manambady an’i Rahely faravavinao. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Jakoba tia an-dRahely ka nanao hoe: Hanompo anao fito taona aho hahazoako an-dRahely, zanakao faravavy. Malagasy Bible Ary Jakoba tia an-dRahely ka nanao hoe: Hanompo anao fito taona aho hahazoako an-dRahely, zanakao faravavy. La Bible en Malgache Ary i Jakoba dia tia an’i Rahely ka niteny hoe: Aoka aho hanompo anao fito taona noho ny amin’i Rahely, zanakao faravavy. |
Dia nampandrosoin’i Isaaka i Rebekà ho ao an-dain’i Sarà reniny, sady nampakariny ho vady. Ary tia azy izy, ka nionona ny alahelony an-dreniny.
Dia hoy i Labàna: «Aleo omena anao izy toy izay omena ny hafa; ka mitoera àry eto amiko.»
Dia nanompo fito taona i Jakôba, mba hahazoany an-dRasela, ary toa andro vitsy foana teo imasony izany, noho ny fitiavany azy.
Ary nankamin’i Rasela koa i Jakôba, sady tia azy mihoatra an’i Lià. Ary nanompo tao amin’i Labàna fito taona indray izy.
Omeo ahy ireo vadiko nanompoako anao, mbamin’ireo zanako dia handeha aho; fa fantatrao izay fanompoako nataoko taminao izay.»
Roapolo taona izao no nitoerako tao an-tranonao: ny efatra ambin’ny folo taona, nanompoako anao, hahazoako azy mirahavavy zanakao; ny enin-taona kosa, hahazoako tamin’ny biby fiompinao; ary ny karamako efa navadikao impolo.
na harem-be asainareo haloako, na fanomezana be vava, izay tononinareo homeko avokoa, fa omeo ho vadiko ny zazavavy.»
Dia nandefa iraka ho any amin’i Isbôseta zanak’i Saola i Davida hanao aminy hoe: «Omeo ahy i Mikola vadiko izay nampakariko notakalozako hodi-tsy miforan’ny Filistinina zato.»
Raha zava-poana i Galaada, dia ho tsinontsinona koa izy ireo; nanao sorona omby tany Galgalà izy; noho izany ny ôteliny ho toy ny antontam-bato eny amin’ny saha voasoritsoritra.