Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 29:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Ary tia an’i Rahely i Jakôba ka niteny tamin’i Labàna hoe: –Hanompo anao fito taona aho mba hahazoako manambady an’i Rahely faravavinao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Ary i Jakoba dia tia an’i Rahely ka niteny hoe: Aoka aho hanompo anao fito taona noho ny amin’i Rahely, zanakao faravavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Ary tia an’i Rahely i Jakôba ka niteny tamin’i Labàna hoe: –Hanompo anao fito taona aho mba hahazoako manambady an’i Rahely faravavinao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Ary i Jakôba tia an-dRasela ka nanao hoe: «Hanompo anao fito taona aho, mba hahazoako an-dRasela zanakao vavy aivo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Ary Jakoba tia an-dRahely ka nanao hoe: Hanompo anao fito taona aho hahazoako an-dRahely, zanakao faravavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Ary Jakoba tia an-dRahely ka nanao hoe: Hanompo anao fito taona aho hahazoako an-dRahely, zanakao faravavy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 29:18
11 Rohy Ifampitohizana  

Avy eo dia nampandrosoin’i Itsehàka tao an-dain’i Sarà reniny i Rebekà, ka nalainy ho vady sy notiaviny; dia nampionona an’i Itsehàka izany taorian’ny nahafatesan-dreniny.


Dia namaly azy i Labàna hoe: –Aleoko homena anao izy toy izay ho an’olon-kafa, fa mitoera eto amiko.


Koa mba hahazoany an’i Rahely, dia nanompo an’i Labàna fito taona i Jakôba; nefa toy ny andro vitsivitsy nandalo izany teo imasony, satria tena tiany razazavavy.


Dia nandry tany amin’i Rahely koa i Jakôba ka tiany lavitra noho i Leà izy. Ary nanompo an’i Labàna fito taona hafa koa i Jakôba.


Avelao hoentiko ireo vady aman-janako, izay antony nanompoako anao. Aoka aho handeha, satria efa fantatrao avokoa ireo asa efa nataoko ho anao!


Efa roapolo taona izao no nanompoako anao: efatra ambin’ny folo taona no niasako mba hanambadiako ny zanakao roa vavy, ary enin-taona mba hahazoako ondry aman’osy, saingy efa impolo kely ianao no nanova ny karamako.


Na dia harena be sy zavatra betsaka aza no takînareo amiko, dia homeko ihany, raha omenareo ho vadiko razazavavy.


Dia naniraka olona nankany amin’i Isbôsèta zanakalahin’i Saoly i Davida hanao aminy hoe: «Omeo ahy i Mikàla vadiko izay efa azoko ho takalon’ireo tsitsy zaton’ny Filistinina.»


Raha olona mpanao ratsy tokoa ny mponin’i Gilehada ka lasa tsinontsinona, tao Gilgala kosa omby mifanesy no natolotra hatao sorona, ka ny alitarany dia tonga korontam-bato eny am-bavasahan’ny tanimboly.


Koa novidiko sekela volafotsy dimy ambin’ny folo sy ôrza enin-jato litatra ny vadiko.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra