Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 29:20 - Baiboly Katolika

20 Dia nanompo fito taona i Jakôba, mba hahazoany an-dRasela, ary toa andro vitsy foana teo imasony izany, noho ny fitiavany azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Dia nanompo an’i Labana fito taona i Jakoba noho ny amin’i Rahely. Toa andro vitsy foana teo imasony izany noho ny fitiavany azy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

20 Koa mba hahazoany an’i Rahely, dia nanompo an’i Labàna fito taona i Jakôba; nefa toy ny andro vitsivitsy nandalo izany teo imasony, satria tena tiany razazavavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Koa mba hahazoany an’i Rahely, dia nanompo an’i Labàna fito taona i Jakôba; nefa toy ny andro vitsivitsy nandalo izany teo imasony, satria tena tiany razazavavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Dia nanompo an’i Labana fito taona Jakoba hahazoany an-dRahely; ary toa andro vitsy foana teo imasony izany noho ny fitiavany azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Dia nanompo an'i Labana fito taona Jakoba hahazoany an-dRahely; ary toa andro vitsy foana teo imasony izany noho ny fitiavany azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 29:20
14 Rohy Ifampitohizana  

Dia nampandrosoin’i Isaaka i Rebekà ho ao an-dain’i Sarà reniny, sady nampakariny ho vady. Ary tia azy izy, ka nionona ny alahelony an-dreniny.


Dia hoy i Labàna: «Aleo omena anao izy toy izay omena ny hafa; ka mitoera àry eto amiko.»


Ka tanteraho ny herinandron’ity anankiray ity, fa homenay anao koa ny anankiray noho ny fanompoana izay mbola hataonao aty amiko mandritra ny fito taona hafa.»


Ary nankamin’i Rasela koa i Jakôba, sady tia azy mihoatra an’i Lià. Ary nanompo tao amin’i Labàna fito taona indray izy.


Omeo ahy ireo vadiko nanompoako anao, mbamin’ireo zanako dia handeha aho; fa fantatrao izay fanompoako nataoko taminao izay.»


Tsy efa nataony toy ny vahiny va izahay, fa efa namidiny, ary haniny ny volanay?


ka tsy nitaredretra ny hanao izany zavatra izany razazalahy, fa fatra-pitia ny zanakavavin’i Jakôba izy, ary izy no tò teny indrindra tao an-tranon-drainy.


Raha zava-poana i Galaada, dia ho tsinontsinona koa izy ireo; nanao sorona omby tany Galgalà izy; noho izany ny ôteliny ho toy ny antontam-bato eny amin’ny saha voasoritsoritra.


Nandositra ho any amin’ny tany Arama i Jakôba; nanompo mba hahazoany vady i Israely; dia niandry ondry izy hahazoany vady.


manala tsiny ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, mandefitra ny zavatra rehetra.


Fa terin’ny fitiavan’i Kristy antsika izahay, satria fantatray marina fa maty ho an’ny olona rehetra ny olona iray, ka dia maty koa izy rehetra;


Ary mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy, izay nanolo-tena tamin’Andriamanitra noho ny fitiavany antsika mba ho sorona amam-panatitra mani-pofona hamonjy antsika.


Dia nolazain’ny mpanompon’i Saola tamin’i Davida mba ho ren’ny sofiny izany teny izany; ka hoy ny navalin’i Davida: «Fa ataonareo ho zavatra kely ve izany ho vinanton’ny mpanjaka é? Izaho dia olo-mahantra sy iva razana».


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra