Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 24:4 - Baiboly Katolika

fa any amin’ny tanindrazako, any amin’ny tany niaviako, no halehanao haka vady ho an’Isaaka zanako.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa any amin’ny tanindrazako sy any amin’ny havako no halehanao haka vady ho an’Isaka zanako.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa handeha ho any amin’ny tany fiaviako sy amin’ny havako ianao, ka haka vady ho an’i Itsehàka zanako.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa handeha ho any amin’ny tany fiaviako sy amin’ny havako ianao, ka haka vady ho an’i Itsehàka zanako.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

fa any amin’ny tanin-drazako sy amin’ny havako no halehanao haka vady ho an’Isaka zanako.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

fa any amin'ny tanin-drazako sy amin'ny havako no halehanao haka vady ho an'Isaka zanako.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa any amin’ny tanindrazako sy any amin’ny havako no halehanao haka vady ho an’Isaka zanako.

Jereo ny toko



Genesisy 24:4
12 Rohy Ifampitohizana  

Ary mbola velona sivy ambin’ny folo amby zato taona i Nakôra taorian’ny niterahany an’i Tare, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy.


Hoy i Iaveh tamin’i Abrama: «Mialà amin’ny taninao sy amin’ny fianakavianao ary amin’ny tranon-drainao mba ho any amin’ny tany hasehoko anao.


Ny Kananeanina tamin’izay no nitoetra tamin’ny tany. Niseho tamin’i Abrama i Iaveh ka nanao hoe: «Homeko ny taranakao ity tany ity.» Ary teo i Abrama nanorina ôtely ho an’i Iaveh izay niseho taminy.


fa mankanesa any an-tranon’ikaky, any amin’ny havako, ka any maka vady ho an-janako.›


Ary hoy ny navalin’ilay mpanompony: «Angamba tsy hety hiaraka amiko hankany amin’ity tany ity ny vehivavy; ka ny zanakao ve no tokony hoentiko mankany amin’ny tany niavianao?»


Dia nantsoin’i Isaaka i Jakôba, ka notsofiny rano sy nomeny teny hoe: «Aza maka vady amin’ny zanaka vavin’i Kanaana.


Fa miaingà ianao, mankanesa any Padan-Arama, any amin’i Batoela, rain-dreninao, ka any maka vady, amin’ireo zanaka vavin’i Labàna, anadahin-dreninao.


Roa no vady nalain’i Jôiadà ho an’i Jôasy ary niteraka zazalahy aman-jazavavy izy.


Ary raha ny tany nialany no heveriny amin’izany dia ho azony atao ny miverina any indray;


Hoy ny ray aman-dreniny taminy: «Nahoana kosa no dia any amin’ny Filistinina tsy mifora ianao no haka vady; fa angaha tsy misy vehivavy amin’ny zana-kavanao, sy eto amin’izay rehetra iray firenena amintsika?»Dia hoy i Samsôna tamin-drainy: «Izay ihany alaina ho ahy, fa izay no sitrako.»