Genesisy 23:20 - Baiboly Katolika Ka ny saha sy ny zohy ao anatiny dia tapaka lasan’i Abrahama, varo-maty, ho tany fandevenana, avy amin’ny zanak’i Heta. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa ny saha mbamin’ny zohy izay ao anatiny dia nataon’ireo taranak’i Heta varo-maty tamin’i Abrahama ho tany fandevenana. DIEM PROTESTANTA Koa ny saha sy ilay lava-bato ao aminy dia nataon’ny terak’i Heta varo-maty tamin’i Abrahama mba ho toeram-pandevenana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa ny saha sy ilay lava-bato ao aminy dia nataon’ny terak’i Heta varo-maty tamin’i Abrahama mba ho toeram-pandevenana. Baiboly Protestanta Malagasy ka ny saha mbamin’ny zohy izay ao anatiny dia nataon’ny taranak’i Heta varo-maty tamin’i Abrahama ho tany fandevenana. Malagasy Bible ka ny saha mbamin'ny zohy izay ao anatiny dia nataon'ny taranak'i Heta varo-maty tamin'i Abrahama ho tany fandevenana. La Bible en Malgache Koa ny saha mbamin’ny zohy izay ao anatiny dia nataon’ireo taranak’i Heta varo-maty tamin’i Abrahama ho tany fandevenana. |
Izay i Abrahama vao nandevina an’i Sarà vadiny, tao an-johin’i Makpelà, tandrifin’i Mambre dia i Hebrôna izany, any amin’ny tany Kanaana.
«Olona hafa firenena sy vahiny eto aminareo aho, ka mba avelao aho hanana tany fandevenana eto aminareo, mba hisy hanalako ny fatin’ny vadiko tsy ho eto anoloako, sy handevenako azy.»
dia ilay saha novidin’i Abrahama tamin’ny taranak’i Heta. Tao no nalevina i Abrahama sy i Sarà vadiny.
Nalevin’i Isaaka sy i Ismaely zanany izy, tao amin’ny zohy any Makpelà, amin’ny sahan’i Efrôna, zanak’i Seôra Heteanina, tandrifin’i Mambre,
Raha efa izany, izao no hafatra napetrany tamin’izy ireo: «Efa hakambana any amin’ny razako aho izao, ka aleveno any amin’ny razako, anatin’ny zohy izay ao amin’ny sahan’i Efrôna Heteanina,
Nitondra azy ho any amin’ny tany Kanaana ny zanany, dia nandevina azy ao amin’ny zohy, amin’ny sahan’i Makpelà, izay novidin’i Abrahama mbamin’ny saha tamin’i Efrôna, Heteanina, mba hananany fasana ho azy, tandrifin’i Mambre.
Nasain’ikaky nianiana aho, nataony hoe: ‹Indro ho faty aho, ka any amin’ny fasana nohadiko ho ahy any amin’ny tany Kanaana no handevenanao ahy›. Ka mba te hiakatra any aho handevina ny raiko ary mbola hiverina indray.»
Fa hoy ny mpanjaka tamin’i Areonà: «Tsia, fa tiako hovidina vola ihany aminao ireo, fa tsy hanatitra sorona dorana azoko maimaim-poana ho an’i Iaveh Andriamanitro aho.» Dia volafotsy 50 sikla no nividianan’i Davida ny famoloana sy ny omby.
Ary nody mandry any amin’ny razany i Manase ka nalevina tao an-tanimbolin’ny tranony, dia tao amin’ny tanimbolin’i Ozà. I Amôna zanany no nanjaka nandimby azy.