Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 50:13 - Baiboly Katolika

13 Nitondra azy ho any amin’ny tany Kanaana ny zanany, dia nandevina azy ao amin’ny zohy, amin’ny sahan’i Makpelà, izay novidin’i Abrahama mbamin’ny saha tamin’i Efrôna, Heteanina, mba hananany fasana ho azy, tandrifin’i Mambre.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 dia nitondra azy tany amin’ny tany Kanana ka nandevina azy tao amin’ny zohy ao amin’ny saha Makpela, tandrifin’i Mamre, dia ilay novidin’i Abrahama niaraka tamin’ny saha, tamin’i Efrona hetita, ho tany fandevenana.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

13 Nentiny nankany amin’ny tany Kanahàna ny fatin-drainy ary naleviny tao amin’ny zohy tao an-tsahan’i Makpelà, teo akaikin’i Mamre. Fa novidîn’i Abrahama tamin’i Hefrôna izay hetita io saha io mba ho tany fandevenana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Nentiny nankany amin’ny tany Kanahàna ny fatin-drainy ary naleviny tao amin’ny zohy tao an-tsahan’i Makpelà, teo akaikin’i Mamre. Fa novidîn’i Abrahama tamin’i Hefrôna izay hetita io saha io mba ho tany fandevenana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 dia nitondra azy tany amin’ny tany Kanana, ary nandevina azy tao amin ny zohy amin’ny saha Makpela, tandrifin’i Mamre, dia ilay novidin’i Abrahama mbamin’ny saha tamin’i Efrona Hetita ho tany fandevenana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 dia nitondra azy tany amin'ny tany Kanana, ary nandevina azy tao amin'ny zohy amin'ny saha Makpela, tandrifin'i Mamre, dia ilay novidin'i Abrahama mbamin'ny saha tamin'i Efrona Hetita ho tany fandevenana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 dia nitondra azy tany amin’ny tany Kanana ka nandevina azy tao amin’ny zohy ao amin’ny saha Makpela, tandrifin’i Mamre, dia ilay novidin’i Abrahama niaraka tamin’ny saha, tamin’i Efrona hetita, ho tany fandevenana.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 50:13
14 Rohy Ifampitohizana  

Ka ny saha sy ny zohy ao anatiny dia tapaka lasan’i Abrahama, varo-maty, ho tany fandevenana, avy amin’ny zanak’i Heta.


mba hafoiny ho ahy ny zohy ao Makpelà, izay azy, eo amin’ny sisin-tsahany, mba hafoiny ho ahy eto anatrehanareo, araka izay tokom-bidiny, hataoko tany fandevenana, tena ahy tokoa.»


ka efa tratra antitra tsara, ary efa ela sy lava andro niainana i Abrahama vao niala aina, ka maty, dia nakambana tamin’ny razany.


Nalevin’i Isaaka sy i Ismaely zanany izy, tao amin’ny zohy any Makpelà, amin’ny sahan’i Efrôna, zanak’i Seôra Heteanina, tandrifin’i Mambre,


Ary i Jakôba tonga tany amin’i Isaaka rainy, tany Mambre, any Kiriat- Arba; dia i Hebrôna izany, izay nitoeran’i Abrahama sy i Isaaka.


Dia niala aina i Isaaka, ka maty, ary nakambana tamin’ny razany; tratra antitra sy lava andro niainana izy. Niara-nandevina azy i Esao sy i Jakôba, zanany.


Izaho hiara-midina aminao any Ejipta. Izaho ihany koa no hitondra anao hiakatra indray tokoa avy any, ary ny tanan’i Josefa no hanirina ny masonao.


fa raha avy izay hodiako mandry any amin’ny razako, ento miala aty Ejipta aho, ka aleveno any amin’ny fasan’izy ireo.» Dia hoy ny navalin’i Josefa: «Eny, hotanterahiko ny teninao.»


Koa dia nataon’ireo zanak’i Jakôba taminy àry izay nandidiany azy.


Nony vita levenana i rainy dia niverina ho any Ejipta i Josefa mbamin’ny rahalahiny, sy izay rehetra niara-niakatra taminy handevina an-drainy.


Ary nody mandry any amin’ny razany i Manase ka nalevina tao an-tanimbolin’ny tranony, dia tao amin’ny tanimbolin’i Ozà. I Amôna zanany no nanjaka nandimby azy.


Ary nentina nankany Sikema izy ireo, ka nalevina tao amin’ny fasana izay novidin’i Abrahama vola tamin’ny zanak’i Hemora tany Sikema.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra