Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 21:31 - Baiboly Katolika

Izany no nanaovana io toerana io hoe Bersabea, satria teo izy roa lahy no samy nianiana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izany no nanaovana io toerana io hoe Bery-Sheba, satria teo no nianianan’izy roa lahy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Izany no niantsoana io toerana io hoe Beera-Seba, satria teo izy roa lahy no nanao fianianana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izany no niantsoana io toerana io hoe Beera-Seba, satria teo izy roa lahy no nanao fianianana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Izany no nanaovana io tany io hoe Beri-sheba; satria teo no nianianan’izy roa lahy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Izany no nanaovana io tany io hoe Beri-sheba; satria teo no nianianan'izy roa lahy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izany no nanaovana io toerana io hoe Bery-Sheba, satria teo no nianianan’izy roa lahy.

Jereo ny toko



Genesisy 21:31
14 Rohy Ifampitohizana  

Dia nifoha maraina koa i Abrahama, ka naka mofo sy rano eran’ny siny hoditra anankiray; nomeny an’i Agara sy nataony teo an-tsorony ireo ary ny zaza koa, dia nalefany izy. Nandeha ravehivavy ka nirenireny tany an’efitr’i Bersabea tany.


Nanao fanekem-pihavanana tao Bersabea izy ireo. Rehefa vita izany dia niainga i Abimeleka sy i Fikôla, filohan’ny tafiny, ka niverina ho any amin’ny tanin’ny Filistinina.


Avy eo izy dia niakatra ho any Bersabea.


Ary nifoha vao maraina koa izy, dia samy nanao fianianana izy roa tonta, izay izy ireo vao nalefan’i Isaaka; ka dia lasa soa aman-tsara niala taminy.


Dia nataony hoe Sibea ny anaran’ny fantsakana, Izany no nanaovana ny anaran’ny tanàna hoe Bersabea mandraka androany.


Dia niainga i Israely nitondra izay rehetra nananany. Nony tonga teo Bersabea izy, dia nanolotra sorona tamin’ny Andriamanitr’i Isaaka rainy.


Ka izao kosa no hevitro: Aoka hivory eto aminao avokoa i Israely rehetra, hatrany Dana, ka hatrany Bersabea, izay maro toy ny fasika any amoron-dranomasina, dia ny tenanao mihitsy no handroso amin’ny ady.


Ary nalehany koa i Tiro, tanàna mimanda, mbamin’ny tanànan’ny Heveanina sy ny Kananeanina rehetra dia tafapaka amin’ny Negeban’i Jodà, any Bersabea.


Nony nahita izany i Elia, dia lasa niainga hamonjy ny ainy. Ka nony tonga tao Bersabea izay an’i Jodà izy, navelany tao ny mpanompony,


i Hasersoala, i Bersabea, mbamin’ny vohitra momba azy;


Aza mitady an’i Betela, aza mankany Galgalà, aza miampita ho any Bersabea! Fa i Galgalà ho lasan-ko babo; ary i Betela hanjary tsinontsinona.


i Hasersoala, i Bersabe, sy i Baziotià,


Dia nivoaka ny zanak’i Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Bersabea sy ny tany Galaada; ka nivory teo anatrehan’i Iaveh tany Masfà, toy ny olona iray ihany, ny fiangonana.