Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 21:31 - DIEM PROTESTANTA

31 Izany no niantsoana io toerana io hoe Beera-Seba, satria teo izy roa lahy no nanao fianianana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

31 Izany no nanaovana io toerana io hoe Bery-Sheba, satria teo no nianianan’izy roa lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

31 Izany no niantsoana io toerana io hoe Beera-Seba, satria teo izy roa lahy no nanao fianianana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

31 Izany no nanaovana io toerana io hoe Bersabea, satria teo izy roa lahy no samy nianiana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

31 Izany no nanaovana io tany io hoe Beri-sheba; satria teo no nianianan’izy roa lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

31 Izany no nanaovana io tany io hoe Beri-sheba; satria teo no nianianan'izy roa lahy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 21:31
14 Rohy Ifampitohizana  

Dia nifoha vao maraina be i Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra feno rano; dia nomeny an’i Hagara izany sady napetrany teo an-tsorony, ary natolony azy koa ny zaza. Dia nalefan’i Abrahama izy mianaka ka nandeha nirenireny tao an-taniefitr’i Beera-Seba.


Nanao fifanekena tao Beera-Seba i Abrahama sy i Abimelèka; avy eo dia niainga i Abimelèka sy i Pikôla, lehiben’ny tafiny, ka lasa niverina nankany amin’ny tanin’ny Filistinina.


Dia niala teo izy ka nankany Beera-Seba.


Nifoha maraina avy izy ireo ny ampitso ary samy nifanao velirano. Avy eo nalefan’i Itsehàka izy telo mianaka, ka lasa nody ombàm-piadanana.


Nantsoin’i Itsehàka hoe Sibehà (na hoe Fianianana) ilay fantsakana. Izany no nanaovana ny anaran’ny tanàna hoe Beera-Seba na hoe Fantsakana fianianana mandraka androany.


Niainga i Jakôba sy izay rehetra azy ka tonga tao Beera-Seba; dia nanao sorona teo izy ho an’ilay Andriamanitr’i Itsehàka rainy.


Izao àry no mba torohevitro: Vorio eto aminao ny miaramila israelita rehetra, hatrany Dana ka hatrany Beera-Seba ka ho toy ny fasika amoron-dranomasina ny hamaroany; ary ny tenanao mihitsy no hiantafika miaraka aminy.


Ary tonga tao Tiro tanàna mimanda ireo sy tany amin’ny tanàna rehetra fonenan’ny Hivita sy Kanahanita, ka tafapaka hatrany Bery-Seba, ao atsimon’ny faritanin’i Joda.


Dia natahotra i Elià, ka nitsoaka nandositra namonjy ny ainy. Tonga tany Beera-Seba izay any Joda izy, ary navelany tao ny mpanompony.


i Hatsary-Sohaly, i Beera-Seba sy ireo tanàna kely miankina aminy,


Fa aza mitady Ahy any Betela, aza miditra ao Gilgala, ary aza mankany Beera-Seba; satria ho lasan-ko babo tokoa i Gilgala, ary i Betela dia ho tonga tsinontsinona.»


i Hatsara-Sohala, i Beera-Seba sy ireo tanàna kely mifanila aminy,


Dia niainga ny Israelita rehetra ary tafangona toy ny olona iray izy hatrany Dana ka hatrany Beera-Seba sy hatrany amin’ny faritr’i Gilehada no nivory teo anatrehan’ny TOMPO tao Mitsepà.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra