Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 18:1 - Baiboly Katolika

Ary i Iaveh niseho taminy, teo amin’ireo terebintan’i Mambre, raha ilay nipetraka teo am-baravaran’ny lainy iny izy, tamin’ilay nigaingaina iny ny andro.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary NY TOMPO niseho tamin’i Abrahama teo amin’ireo hazo terebintan’i Mamre, raha izy nipetraka teo am-baravaran’ny tranolainy, tamin’ny fotoana nampafana ny andro.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Niseho tamin’i Abrahama tao amin’ny hazo ôakan’i Mamre ny TOMPO, raha nipetraka teo am-baravaran’ny lainy izy fa nafana ny andro.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Niseho tamin’i Abrahama tao amin’ny hazo ôakan’i Mamre ny TOMPO, raha nipetraka teo am-baravaran’ny lainy izy fa nafana ny andro.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ARY Jehovah niseho tamin’i Abrahama teo an-kazo terebintan’i Mamre; ary nipetraka teo am-baravaran’ny lainy izy, raha nafana ny andro;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Jehovah niseho tamin'i Abrahama teo an-kazo terebintan'i Mamre; ary nipetraka teo am-baravaran'ny lainy izy, raha nafana ny andro;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary NY TOMPO niseho tamin’i Abrahama teo amin’ireo hazo terebinta*n’i Mamre, raha izy nipetraka teo am-baravaran’ny tranolainy, tamin’ny fotoana nampafana ny andro.

Jereo ny toko



Genesisy 18:1
17 Rohy Ifampitohizana  

Ny Kananeanina tamin’izay no nitoetra tamin’ny tany. Niseho tamin’i Abrama i Iaveh ka nanao hoe: «Homeko ny taranakao ity tany ity.» Ary teo i Abrama nanorina ôtely ho an’i Iaveh izay niseho taminy.


Dia nifindra toby i Abrama ka nandeha nonina teo amin’ny terebintan’i Mambre, izay any Hebrôna, ary teo izy nanangana ôtely ho an’i Iaveh.


Dia tonga ny anankiray tamin’ireo mpandositra nilaza izany tamin’i Abrama, Hebrio, izay nonina tao amin’ireo terebintan’i Mambre, dia ilay Amôreana rahalahin’i Eskôla sy Anera, fa olona vita fanekem-pihavanana tamin’i Abrama ireo.


Taorian’izany, tonga tamin’i Abrama tamin’ny fahitana ny tenin’i Iaveh nanao hoe: «Aza matahotra, ry Abrama, fa Izaho no ampinganao ary ho lehibe indrindra ny valisoanao.»


Nony tapi-niteny tamin’i Abrahama Andriamanitra dia niakatra izy niala teo aminy.


Niainga ireo lehilahy ireo, ka nandeha nankany Sôdôma; fa i Abrahama kosa mbola nijanona teo anatrehan’i Iaveh ihany.


Nifindra niala teo i Abrahama, dia nankany amin’ny faritany atsimo, ka nonina teo anelanelan’i Kadesa sy i Sora, ary nitoetra kelikely tao Jerara izy.


Ary i Iaveh niseho taminy, ka nanao hoe: «Aza midina any Ejipta, fa mitoera amin’ny tany izay holazaiko aminao.


Ary i Jakôba tonga tany amin’i Isaaka rainy, tany Mambre, any Kiriat- Arba; dia i Hebrôna izany, izay nitoeran’i Abrahama sy i Isaaka.


Ary hoy i Jakôba tamin’i Josefa:


Nony alina, niseho tamin’i Salômôna Andriamanitra, ka nanao taminy hoe: «Angataho izay tianao homeko anao.»


Fa namaly i Môizy ka nanao hoe: «Tsy hino ahy izy ireo na hihaino ny feoko akory, fa hanao hoe: Tsy niseho taminao i Iaveh.»


Ka hoy ny navalin’i Etienina azy: «Mihainoa ianareo rahalahy sy ray. Raha mbola tany Mesôpôtamia i Abrahama razantsika, fa tsy mbola nitoetra tany Haràna, dia niseho taminy Andriamanitra be voninahitra,


Ny finoana no nitoerany tany amin’ny tany nampanantenaina toy ny any an-tany fivahiniana, tranolay no nitoerany; toy izany koa i Isaaka sy i Jakôba izay mpandova izany teny nampanantenaina izany koa;


Ary aza manadino ny fandraisam-bahiny, fa ny sasany nanaraka izany dia efa nisy nampiantrano Anjely, nefa tsy nahalala azy.


Efa mby akaiky an’i Jerikô i Jôsoe, no nanopy maso nijery, ka indro nisy lehilahy anankiray nitana sabatra voatsoaka nijoro teo anatrehany; dia nanatona azy i Jôsoe, ka nanao taminy hoe: «Momba anay va ianao sa momba ny fahavalo?»