Hoy indray koa ny Anjelin’i Iaveh: «Indro manana anaka ianao, ka hiteraka zazalahy, ary homenao anarana hoe Ismaely, satria efa nohenoin’i Iaveh ny fahorianao.
Genesisy 16:15 - Baiboly Katolika Dia niteraka zazalahy tamin’i Abrama i Agara; ary nomen’i Abrama anarana hoe Ismaely ny zaza naterak’i Agara. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Hagara dia niteraka zazalahy tamin’i Abrama; ary ny anaran’ny zaza izay naterany dia nataon’i Abrama hoe Ismaela. DIEM PROTESTANTA Dia niteraka zazalahy i Hagara ka nataon’i Abrama hoe Jismahela ny anarany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia niteraka zazalahy i Hagara ka nataon’i Abrama hoe Jismahela ny anarany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Hagara dia niteraka zazalahy tamin’i Abrama; ary ny anaran’ny zanany izay naterany dia nataon’i Abrama hoe Isimaela. Malagasy Bible Ary Hagara dia niteraka zazalahy tamin'i Abrama; ary ny anaran'ny zanany izay naterany dia nataon'i Abrama hoe Isimaela. La Bible en Malgache Ary i Hagara dia niteraka zazalahy tamin’i Abrama; ary ny anaran’ny zaza izay naterany dia nataon’i Abrama hoe Ismaela. |
Hoy indray koa ny Anjelin’i Iaveh: «Indro manana anaka ianao, ka hiteraka zazalahy, ary homenao anarana hoe Ismaely, satria efa nohenoin’i Iaveh ny fahorianao.
Izany no niantsoan’ny olona io fantsakana io hoe fantsakan’i Lakai- Rôy. Ao anelanelan’i Kadesy sy i Barada izy io.
Efa enina amby valopolo taona i Abrama tamin’ny niterahan’i Agara an’i Ismaely tamin’i Abrama.
Dia hoy i Abrahama tamin’Andriamanitra: «Enga anie ka ho velona eo anatrehanao i Ismaely!»
Ny amin’i Ismaely dia efa nihaino anao Aho, ka efa nitso-drano azy Aho; hataoko maro anaka izy, ary hampitomboiko be indrindra. Hiteraka andriana roa ambin’ny folo izy, ary hotongaviko ho firenena lehibe.
Izao no tantaran’i Ismaely zanak’i Abrahama izay naterak’i Agara Ejiptianina mpanompo vavin’i Sarà tamin’i Abrahama.
Nalevin’i Isaaka sy i Ismaely zanany izy, tao amin’ny zohy any Makpelà, amin’ny sahan’i Efrôna, zanak’i Seôra Heteanina, tandrifin’i Mambre,
ka lasa izy nankany amin’i Ismaely, naka an’i Maheleta, zanaka vavin’i Ismaely, zanak’i Abrahama, sy anabavin’i Nabaiôta, ho vadiny, fanampin’ireo efa nananany.
Andeha hamidintsika amin’ny Ismaelita izy, fa aza maninji-tanana aminy isika, fa rahalahintsika sy nofontsika izy.» Dia nihaino azy ireo ny rahalahiny.