Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 16:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Dia niteraka zazalahy i Hagara ka nataon’i Abrama hoe Jismahela ny anarany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Ary i Hagara dia niteraka zazalahy tamin’i Abrama; ary ny anaran’ny zaza izay naterany dia nataon’i Abrama hoe Ismaela.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Dia niteraka zazalahy i Hagara ka nataon’i Abrama hoe Jismahela ny anarany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Dia niteraka zazalahy tamin’i Abrama i Agara; ary nomen’i Abrama anarana hoe Ismaely ny zaza naterak’i Agara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Ary Hagara dia niteraka zazalahy tamin’i Abrama; ary ny anaran’ny zanany izay naterany dia nataon’i Abrama hoe Isimaela.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Ary Hagara dia niteraka zazalahy tamin'i Abrama; ary ny anaran'ny zanany izay naterany dia nataon'i Abrama hoe Isimaela.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Ary i Hagara dia niteraka zazalahy tamin’i Abrama; ary ny anaran’ny zaza izay naterany dia nataon’i Abrama hoe Ismaela.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 16:15
13 Rohy Ifampitohizana  

Indro efa bevohòka ianao, ka hiteraka zazalahy; ary ny anarany hataonao hoe Jismahela, satria nohenoin’ny TOMPO ny fitarainanao.


Izany no niantsoana ilay fantsakana teo anelanelan’i Kadesy sy i Bareda hoe fantsakan’i Lahay-Rôy na fantsakan’Ilay Velona mahita ahy.


Efa enina amby valopolo taona i Abrama, raha niteraka io zazalahy io ho azy i Hagara.


Koa hoy i Abrahama tamin’Andriamanitra: –Enga anie i Jismahela no ho velona eo anatrehanao!


Ary ny momba an’i Jismahela dia efa nohenoiko ny hatakao; indro hotahîko izy, ka hataoko maro anaka ary hampitomboiko fatratra ny taranany. Hiteraka andriana 12 izy sady ho razamben’ny firenen-dehibe iray.


Izao no lisitry ny taranak’i Jismahela, zanakalahin’i Abrahama, naterak’i Hagara ilay Ejiptianina mpanompovavin’i Sarà.


I Itsehàka sy i Jismahela zanany no nandevina azy tao amin’ny lava-baton’i Makpelà, ao amin’ny sahan’i Hefrôna zanakalahin’i Tsôhara izay Hetita, dia ilay saha ao akaikin’i Mamre.


Noho izany, dia lasa izy nankany amin’i Jismahela, zanakalahin’i Abrahama, ka naka vady an’i Mahalato zanany vavy sady anabavin’i Nebaiôta, ho fanampin’izay efa nananany.


Andeha hamidintsika amin’ireto Jismahelita ireto izy fa tsy hikasi-tanana azy isika, satria rahalahintsika izy ary fianakaviantsika ihany. Dia nanaiky ireo rahalahiny.


Ny zanakalahin’i Abrahama dia i Itsehàka sy i Jismahela.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra