Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 37:27 - Baiboly Katolika

27 Andeha hamidintsika amin’ny Ismaelita izy, fa aza maninji-tanana aminy isika, fa rahalahintsika sy nofontsika izy.» Dia nihaino azy ireo ny rahalahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

27 Andeha hamidintsika amin’ireo Ismaelita ireo izy ary aoka tsy hikasika azy ny tanantsika. Rahalahintsika sy nofontsika ihany mantsy izy! Dia nanaiky ny rahalahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

27 Andeha hamidintsika amin’ireto Jismahelita ireto izy fa tsy hikasi-tanana azy isika, satria rahalahintsika izy ary fianakaviantsika ihany. Dia nanaiky ireo rahalahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

27 Andeha hamidintsika amin’ireto Jismahelita ireto izy fa tsy hikasi-tanana azy isika, satria rahalahintsika izy ary fianakaviantsika ihany. Dia nanaiky ireo rahalahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

27 Andeha hamidintsika amin’ireo Isimaelita ireo izy, ary aoka tsy haninona azy ny tànantsika; fa rahalahintsika sy nofontsika ihany izy. Dia nanaiky ny rahalahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

27 Andeha hamidintsika amin'ireo Isimaelita ireo izy, ary aoka tsy haninona azy ny tanantsika; fa rahalahintsika sy nofontsika ihany izy. Dia nanaiky ny rahalahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

27 Andeha hamidintsika amin’ireo Ismaelita ireo izy ary aoka tsy hikasika azy ny tanantsika. Rahalahintsika sy nofontsika ihany mantsy izy! Dia nanaiky ny rahalahiny.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 37:27
15 Rohy Ifampitohizana  

ka hoy i Labàna taminy: «Eny taolako sy nofoko ianao.» Ary nitoetra teo aminy iray volana maninjitra i Jakôba.


Hoy i Robena tamin’izy ireo: «Aza mandatsa-dra, fa atsipazo ao anatin’io lavaka aty an’efitra io izy. Ka aza maninji-tanana aminy ianareo.» Ny kendreny dia ny hanafaka azy eo an-tanan’ireo, mba hampodiany azy ho any amin-drainy.


Ary nifampilaza izy nanao hoe: «Voakapoka tokoa isika izao, noho ny amin’ny rahalahintsika; fa nahita ny fahorian’ny fanahiny isika, tamin’ilay izy nitalaho ny famindram-pontsika, nefa tsy nihaino azy isika ka izany no nahatongavan’izao fahoriana izay manjò antsika izao.»


Ny hanisy ratsy ahy no tao an-tsainareo; fa ny hampisy soa avy amin’izany kosa no tao an-tsain’Andriamanitra, mba hahatanteraka izao hita anio izao, mba hamonjy ny ain’ny vahoaka maro be.


Ka nahoana no nanamavo ny tenin’i Iaveh ianao, fa nanao izay ratsy eo imasony? I Oria Heteanina nasianao ny sabatra, ny vadiny nalainao ho vady, izy novonoinao tamin’ny sabatry ny taranak’i Amôna!


Ary ankehitriny dia mba toy ny nofon’ny rahalahinay ihany ny nofonay ka mba toy ny zanany ihany koa ny zanakay, kanjo indro fa ampidirinay amin’ny fanandevozana ny zanakay lahy aman-janakay vavy, ary ny sasany amin’ny zanakay vavy efa andevo sahady. Ary ataonay ahoana moa fa efa lasan’ny sasany ny taninay aman-tanimboalobokay.»


dia nilaza taminy hoe: «Izahay nanavotra ny Jody rahalahintsika namidy tamin’ny firenena araka ny anananay, ka ianareo kosa ve, hivarotra ny rahalahinareo, sady hivarotra azy aminay!» Gina tsy nahita havaly izy ireo.


Izay mangalatra olona, na namidiny izy io, na tratra eo an-tanany, dia tsy maintsy atao maty.


Fa raha mbola velona indray andro na indroa andro ihany izy, dia tsy hovaliana izy, satria an’ny tompony ihany io.»


Inona no soa ho azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? Ary inona no homen’ny olona ho takalon’ny fanahiny?


ka nanao taminy hoe: «Homenareo hoatrinona aho, dia hatolotro anareo Izy?» Dia nanisa farantsa kely telopolo ho azy izy ireo.


ny mpijangajanga, ny mpiray samy lehilahy, ny mpangalatra olona, ny mpandainga, ny mpianian-tsy to, mbamin’ny hafa rehetra manao zavatra mifanohitra amin’ny fampianarana marina,


dia ny havozomamy, zava-manitra, menaka manitra, emboka manitra, divay, diloilo, lafarina tsara indrindra, varimbazaha, biby manompo, ondry, soavaly, kalesy, ary ny tena aman’ain’olona. -


Ary hoy i Saola tamin’i Davida: «Indro homeko ho vadinao i Meroba, zanako vavimatoa. Misehoa ho mahery fo anefa ianao ary tohàny ny adin’i Iaveh». Fa i Saola nanao anakam-po hoe: «Aza ny tanako no mamely azy, fa aoka ny tanan’ny Filistinina no hamely azy».


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra