Ry Iaveh, Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Israely razanay ô, tahirizo mandrakizay izany mba ho fomban’ny hevitra ao am-pon’ny vahoakanao, ary tano hitodika aminao ny fony.
Ezra 7:10 - Baiboly Katolika Nandraikitra ny fony amin’ny fianaran’ny lalàn’i Iaveh i Esdrasa, ary nanaraka azy, ary nampianatra an’i Israely ny lalàna amam-pitsipika. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa nampiomana ny fony i Ezra mba hitady ny lalànan’NY TOMPO ka hankatò izany ary hampianatra ny Israely ireo didy sy fitsipika. DIEM PROTESTANTA I Hezrà manko dia efa niorim-po hianatra ny lalànan’ny TOMPO sy hanatanteraka azy ary hampianatra ny didy amam-pitsipika raketiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Hezrà manko dia efa niorim-po hianatra ny lalànan’ny TOMPO sy hanatanteraka azy ary hampianatra ny didy amam-pitsipika raketiny. Baiboly Protestanta Malagasy Fa Ezra nampiomana ny fony hitady ny lalàn’i Jehovah ka hankatò izany ary hampianatra ny Isiraely didy sy fitsipika. Malagasy Bible Fa Ezra nampiomana ny fony hitady ny lalàn'i Jehovah ka hankatò izany ary hampianatra ny Isiraely didy sy fitsipika. La Bible en Malgache Fa nampiomana ny fony i Ezra mba hitady ny lalànan’NY TOMPO ka hankatò izany ary hampianatra ny Israely ireo didy sy fitsipika. |
Ry Iaveh, Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Israely razanay ô, tahirizo mandrakizay izany mba ho fomban’ny hevitra ao am-pon’ny vahoakanao, ary tano hitodika aminao ny fony.
Saingy mba nisy soa hita taminao ihany, fa nesorinao tamin’ny tany ny aserah ary niraiki-po tamin’ny fitadiavana an’Andriamanitra ianao.»
Niteny tamin’ny Levita rehetra, teny manetsika ny fo, i Ezekiasa, fa naneho fahaizana fatratra tamin’ny fanompoana an’i Iaveh izy ireo. Nandritra ny hafitoana izy ireo nihinana ny zavatra natao sorona tamin’ny fety, nanolotra ny sorom-pihavanana, ary nidera an’i Iaveh Andriamanitry ny razany.
Izao no kôpian’ny taratasy nomen’i Artakserksesa mpanjaka, an’i Esdrasa - izay mpisorona sy mpampiana-dalàna, mpampiana-dalàna mahay ny didy aman-dalàn’i Iaveh ny amin’ny momba an’i Israely.
Ary ianao, ry Esdrasa, araka ny fahendren’Andriamanitrao, izay eo an-tananao, dia manendre mpitsara sy andriambaventy hitsara ny vahoaka rehetra any an-dafin’ny ony, amin’izay rehetra mahalala ny lalàn’ny Andriamanitrao, ary ampianaro izay tsy mahalala.
niakatra avy any Babilôna io Esdrasa io. Ary satria nomba azy ny tanan’i Iaveh Andriamaniny, dia nomen’ny mpanjaka azy avokoa izay rehetra nangatahiny.
Fa ianao kosa raha mitondra ny fonao ho amin’Andriamanitra mananty tanan-droa miandrandra Azy,
Efa nihaino ny fanirian’ny ory Ianao, ry Iaveh; mankahery ny fony sady manongilana ny sofinao mihaino,
Any amin’ny ila faravodilanitra Izy no miala; ary any amin’ny ila faravodilanitra vao tapitra ny diany; tsy misy tsy takatry ny hafanàny.
Namela-pandrika teo alohan’ny diako izy; efa nitanondrika sahady ny fanahiko; efa nihady lavaka teo anoloako izy: ny tenany ihany no latsaka tao! - Selà
Fa ny molotry ny mpisorona no mpitahiry ny fahalalana, ary ny vavany no angatahana ny fampianarana, satria izy no Anjelin’i Iavehn’ny tafika.
Koa amin’izany, izay handika ny anankiray amin’ireo didy madinika indrindra ireo, ka hampianatra ny olona toy izany, dia ho kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra; fa izay hanatanteraka sy hampianatra ireo kosa dia ho lehibe amin’ny fanjakan’ny lanitra.
Koa amin’izany, na zovy na zovy mandre izao teniko izao ka mitandrina azy, dia hoharina amin’ny lehilahy hendry izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy;
Ry Teôfily, efa voalazako tamin’ny boky voalohany ny zavatra rehetra nataon’i Jesoa sy nampianariny,
Tsarovy fa efa mba andevo tany Ejipta koa ianao, ka tandremo ny hanatanteraka ireo didy ireo.
I Jakôba, ampianariny ny fitsipikao, ary i Israely ny lalànao. Manolotra ny emboka manitra eo amin’ny vavoronao izy, sy ny sorona dorana eo ambonin’ny ôtelinao.
Koa ny Pretra dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, tsy nanambady afa-tsy indray mandeha monja, mahonon-tena, hendry, maotona sy mendrimendrika, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra,
mitoria ny teny, ary mahareta amin’izany na amin’ny fotoana, na tsy amin’ny fotoana: manitsia, mananara, mamporisiha, amim-pandeferana sy amim-pahaizana mandrakariva,
Izany no tsy maintsy hotorìnao sy hamporisihanao ary hananaranao amim-pahefana lehibe. Aza avela hisy olona maneso anao.
Sambatra izay manasa ny akanjony amin’ny Ran’ny Zanak’ondry, mba hananany fahefana amin’ny hazon’aina, sy hidirany amin’ny vavahady ho ao an-tanàna.
Ka hoy i Samoela tamin’ny tranon’i Israely rehetra; «Raha miverina amin’i Iaveh amin’ny fonareo rehetra tokoa ianareo, dia esory hiala eo aminareo ny andriamani-kafa sy ny Astarte, ary araiketo mafy amin’i Iaveh ny fonareo, ka Izy irery ihany no tompoy, ka hanafaka anareo amin’ny tanan’ny Filistinina Izy.»