Ezra 7:9 - Baiboly Katolika9 Tamin’ny andro voalohan’ny volana voalohany izy no niainga hiakatra niala tany Babilôna ary tamin’ny andro voalohan’ny volana fahadimy no nahatongavany tao Jerosalema, nomban’ny tanan’ny Andriamaniny manisy soa. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20119 Fa tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana voalohany no niaingany niakatra avy tany Babilona; ary tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana fahadimy no nahatongavany tany Jerosalema araka ny soa nataon’ny tanan’Andriamaniny taminy. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA9 Ny andro voalohan’ny volana voalohany no niaingan’i Hezrà avy tany Babilôna; ary ny andro voalohan’ny volana fahadimy no nahatongavany tao Jerosalema noho ny fiarovana mahery nombàn’Andriamanitra azy. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara9 Ny andro voalohan’ny volana voalohany no niaingan’i Hezrà avy tany Babilôna; ary ny andro voalohan’ny volana fahadimy no nahatongavany tao Jerosalema noho ny fiarovana mahery nombàn’Andriamanitra azy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy9 Fa tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana voalohany no niaingany niakatra avy tany Babylona; ary tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana fahadimy no nahatongavany tany Jerosalema araka ny soa nataon’ny tànan’Andriamaniny taminy. Jereo ny tokoMalagasy Bible9 Fa tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany no niaingany niakatra avy tany Babylona; ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahadimy no nahatongavany tany Jerosalema araka ny soa nataon'ny tànan'Andriamaniny taminy. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache9 Fa tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana voalohany no niaingany niakatra avy tany Babilona; ary tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana fahadimy no nahatongavany tany Jerosalema araka ny soa nataon’ny tanan’Andriamaniny taminy. Jereo ny toko |
Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila manatitra ama-mpitaingin-tsoavaly, tamin’ny mpanjaka, hiaro anay amin’ny fahavalo eny an-dalana, noho izahay efa niteny tamin’ny mpanjaka nanao hoe: «Momba an’izay rehetra mitady azy ny tanan’Andriamanitra, hahasoa azy ireo, fa mahatratra an’izay rehetra mahafoy Azy kosa ny heriny sy ny fahatezerany.»
ary taratasy anankiray koa ho an’i Asafa mpitandrina ny alan’ny mpanjaka, mba hanomezany hazo ahy, hanaovako sakamandimby hatao amin’ny varavaran’ny trano mimanda manolotra ny tempoly sy hatao amin’ny mandan’ny tanàna, mbamin’ny trano hihatahako.» Dia nomen’ny mpanjaka ahy izany, fa momba ahy ny tanana manambin’ny Andriamanitro.