Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Ezra 7:8 - Baiboly Katolika

8 Tonga tany Jerosalema i Esdrasa, tamin’ny volana fahadimin’ny taona fahafito nanjakan’ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Ary tonga tany Jerosalema i Ezra tamin’ny volana fahadimy tamin’ny taona fahafito nanjakan’ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

8 Niaraka tamin’ireo i Hezrà ka tonga tany Jerosalema tamin’ny volana fahadimin’io taona fahafito nanjakàn’i Artakserksesa io.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Niaraka tamin’ireo i Hezrà ka tonga tany Jerosalema tamin’ny volana fahadimin’io taona fahafito nanjakàn’i Artakserksesa io.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary tonga tany Jerosalema Ezra tamin’ny volana fahadimy tamin’ny taona fahafito nanjakan’ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary tonga tany Jerosalema Ezra tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahafito nanjakan'ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Ary tonga tany Jerosalema i Ezra tamin’ny volana fahadimy tamin’ny taona fahafito nanjakan’ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy




Ezra 7:8
7 Rohy Ifampitohizana  

Tao anatin’ny hateloan’andro dia vory tao Jerosalema ny lehilahy rehetra amin’i Jodà sy i Benjamina; andro faha roapolon’ny volana fahasivy tamin’izay. Nipetraka teo amin’ny kianjan’ny tranon’Andriamanitra avokoa ny vahoaka rehetra, samy nangovitra noho ity toe-draharaha, sady avy koa ny orana.


Maromaro koa tamin’ny zanak’i Israely, mpisorona, Levita, mpihira, mpiandry varavarana, ary Natineanina, no niakatra ho any Jerosalema tamin’ny taona fahafito nanjakan’i Artakserksesa mpanjaka.


Tamin’ny andro voalohan’ny volana voalohany izy no niainga hiakatra niala tany Babilôna ary tamin’ny andro voalohan’ny volana fahadimy no nahatongavany tao Jerosalema, nomban’ny tanan’ny Andriamaniny manisy soa.


Nony tonga tany Jerosalema izahay, dia niala sasatra hateloana.


Fa andevo izahay, nefa tsy nahafoy anay tao anatin’ny fahandevozanay ny Andriamanitray. Nitarika ireo mpanjakan’i Persa hanisy soa anay Izy hamelombelona ny ainay, mba hanaovanay ny tranon’Andriamanitray sy hamboaranay ny rava eo, dia hanomezany anay fonenana voafefy amin’i Jodà sy i Jerosalema.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra