Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 7:23 - Baiboly Katolika

Dia nody i Faraôna ka nony tonga tany an-tranony, tsy nandinika izany akory tao am-pony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Niverina nankao an-tranony i Farao sady tsy mba nahoany akory ny zava-nitranga.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Lasa nody ny Farao, dia nankao an-tranony fa tsy nahoany akory io raharaha io.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Lasa nody ny Farao, dia nankao an-tranony fa tsy nahoany akory io raharaha io.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia niverina Farao ka nankao an-tranony. Kanefa tsy mba nahoany akory, na dia izany aza.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia niverina Farao ka nankao an-tranony, kanefa tsy mba nahoany akory, na dia izany aza.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Niverina nankao an-tranony i Farao sady tsy mba nahoany akory ny zava-nitranga.

Jereo ny toko



Eksodosy 7:23
20 Rohy Ifampitohizana  

Inona moa ny olombelona, no dia tombananao fatratra erỳ, fa mba mety hikarakara azy Ianao,


Eny, zava-poana ny olombelona, fitaka ny zanak’olombelona. Hiainga ny mizàna raha atao ao aminy izy rehetra miaraka, fa maivana noho ny fofon’aina.


Nahavita torak’izany tamin’ny fankatoavany ihany koa anefa ny mpanao odin’i Ejipta, ka nihamafy ny fon’i Faraôna, fa tsy nihaino an’i Môizy sy i Aarôna izy, araka ny voalazan’i Iaveh rahateo.


Ary ny Ejiptianina rehetra nihady lavaka teny akaikin’ny ony hahitany rano azo nosotroina, fa tsy azony nosotroina ny rano tamin’ny ony.


Ka izay natahotra ny tenin’i Iaveh, teo amin’ny mpanompon’i Faraôna, dia nampiditra an-trano ny mpanompony mbamin’ny bibiny.


Fa izay tsy nandinika tao am-pony ny tenin’i Iaveh kosa, namela ny mpanompony mbamin’ny bibiny tany an-tsaha.


Mampandria sofina ka henoy ny tenin’ireo hendry, manombena saina amin’ny fampianarako.


Nijery aho, ka nandinika tao am-poko, nieritreritra aho, ka izao no fianarana nalaiko tao:


Sambatra ny olona izay manam-pahatahorana mandrakariva; fa izay manadonto ny fony kosa ho latsaka anatin’ny fahoriana.


Ny olona tandrifin’ny hanarina, ka mihamafy hatoka, dia ho torotoro tampoka tsy hisy fanafody hahasitrana.


Ry Iaveh ô, ny tananao efa voaainga tsy hitan’izy ireo. Fa ny zotom-ponao ho an’ny olonao kosa ho hitany ka hangaihay izy ireo; ho levon’ny afo natao handevonana ny fahavalonao.


Ary hoy ianao: «Tompovavy ho amin’ny mandrakizay aho!» ka dia tsy mba nandinika izany akory ianao, na mba nitsapa izay hiafaran’izany rehetra izany.


Tsy mba natahotra na nandriatra ny fitafiana akory ny mpanjaka sy ireto mpanompony rehetra izay nandre izany teny rehetra izany.


Ry Iaveh ô, tsy ny fo mahatoky va no tadiavin’ny masonao? Nikapoka azy Ianao, fa tsy nalahelo izy; nandripaka azy Ianao, fa tsy nety nino anatra izy; nohamafisiny mihoatra noho ny vatolampy ny tavany, tsy nety nibebaka izy.


Dia hoy ralehilahy tamiko: «Ry zanak’olona, mijere amin’ny masonao, mihainoa amin’ny sofinao, ary mandiniha tsara ao am-ponao, ny zavatra rehetra hasehoko anao, fa ny hanehoana an’izany aminao no nitondrana anao etoana. Ampahalalao ny taranak’i Israely avokoa, izay rehetra ho hitanao.»


Topazo maso ireo firenena ka zahao; dia migagà sy mitalanjòna. Fa indro Aho amin’ny andronareo hanao zavatra, izay tsy hinoanareo raha olona no mitantara aminareo.


Raha tsy henoinareo sy tsy rototra ianareo ny hanome voninahitra ny Anarako, hoy i Iavehn’ny tafika, dia handefa ozona hamely anareo Aho, ary hozoniko ny tso-drano ataonareo; - fa efa nozoniko sahady aza izany, satria tsy rototra ianareo! -


dia hoy izy tamin’izy ireo: «Raiso amin’ny fo mazoto izao teny rehetra ambarako eto anatrehanareo anio izao, izay tsy maintsy andidianareo ny zanakareo koa, mba hanarahany tsara ny teny rehetra amin’ity lalàna ity.


Efa ho faty izy no nilazan’ireo vehivavy teo akaikiny nataony hoe: «Aza matahotra fa tera-dahy ianao». Nefa tsy novaliany na nasiany raharaha akory izany.