Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 6:14 - Baiboly Katolika

Izao no loham-pianakavian’izy ireo: Zanaka lahin-dRobena, lahy matoan’i Israely: i Henoka, i Falao, i Hesrôna ary i Karmì. Ireo no fianakavian’i Robena.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ireto avy ny lohan’ny fianakaviany: Ny zanakalahin’i Robena, lahimatoan’Israely, dia i Hanoka, i Palo, i Hezrona ary i Karmy; ireo no fokom-pirenen’i Robena.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Toy izao no lisitry ny filoham-pianakaviana teo amin’ny Israelita: Ny zanakalahin’i Reobena, lahimatoan’i Jakôba, dia i Hanôka, i Palo, i Hetsirôna ary i Karmỳ. Izy efa-dahy no razamben’ny tarika reobenita.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Toy izao no lisitry ny filoham-pianakaviana teo amin’ny Israelita: Ny zanakalahin’i Reobena, lahimatoan’i Jakôba, dia i Hanôka, i Palo, i Hetsirôna ary i Karmỳ. Izy efa-dahy no razamben’ny tarika reobenita.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

IZAO no lohan’ny fianakaviany: –Ny zanakalahin-dRobena, lahimatoan’Isiraely, dia Hanoka sy Palo sy Hezrona sy Karmy; ireo no fokom-pirenen-dRobena.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Izao no lohan'ny fianakaviany: Ny zanakalahin-dRobena, lahimatoan'Isiraely, dia Hanoka sy Palo sy Hezrona sy Karmy; ireo no fokom-pirenen-dRobena.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ireto avy ny lohan’ny fianakaviany: Ny zanakalahin’i Robena, lahimatoan’Israely, dia i Hanoka, i Palo, i Hezrona ary i Karmy; ireo no fokom-pirenen’i Robena.

Jereo ny toko



Eksodosy 6:14
17 Rohy Ifampitohizana  

Zanak’i Levi: i Jersôna, i Kaata ary i Merarì.


Robena, lahimatoan’i Jakôba. Zanak-dRobena: i Henoka, i Falo, i Hersona ary i Karmì.


Ireto no lohany amin’ny fianakaviany: i Efera, i Jesì, i Ezriela, i Jirmeià, i Odoià, ary i Jedihela, lehilahy matanjaka sy mahery, lehilahy malaza, lohan’ny fokom-pianakaviany avy.


Zanaka lahin-dRobena lahy matoan’i Israely: i Enôka, i Falò, i Esrôna ary i Karmì.


Zanaka lahin’i Tolà: i Ozia, i Rafaia, i Jeriela, i Jemaia, i Jebsema, ary i Samoela, samy lohan’ny fokom-pianakaviany izay avy amin’i Tolà, lehilahy mahery, voasoratra araka ny taranany tamin’i andron’i Davida, 22.600 no isany.


Zanaka lahin’i Bela: i Esbôna, i Ozia, i Oziela, i Jerimota ary i Oraia; dimy izy lohan’ny fokom-pianakaviana, lehilahy mahery, 22.034 no isany, voasoratra amin’ny tetiarana.


Izao no zanaka lahin’i Ahoda: lohan’ny fianakaviana nonina tao Gabaà izy ireo, ary nafindrany tany Manahata:


Dia niteny tamin’i Môizy sy i Aarôna i Iaveh ary nanafatra azy ny amin’ny zanak’i Israely, sy ny amin’i Faraôna, mpanjakan’i Ejipta, momba ny famoahana ny zanak’i Israely, hiala amin’ny tany Ejipta.


I Eleazara, zanaka lahin’i Aarôna, nanambady ny anankiray amin’ny zanaka vavin’i Fotiela, ka izay no niteraka an’i Finea taminy. Ireo no loham-pianakavian’ny Levita araka ny fianakaviany.


dia nanaika ny fiangonana rehetra izy, ho amin’ny andro voalohan’ny volana faharoa, ka ny hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra rehetra, dia samy nosoratana araka ny fianakaviany sy ny fokony, ary noisaina ny anarany isam-batan’olona.


Zanak’i Simeôna araka ny fokony avy: ny fokon’ny Namoelita avy tamin’i Namoela, ny fokon’ny Jaminita, avy tamin’i Jamina,


Nomen’i Môizy lova ny fokon’ny tarana-dRobena, araka ny fianakaviany avy,


Koa tonga hatrany Jordany ka hatramin’ny faritaniny ny faritanin’ny tarana-dRobena. Izany no lovan’ny tarana-dRobena sy ny fianakaviany dia ny tanàna aman-jana-bohiny.


Izao no noraisin’ny zanak’i Israely ho lova, tany amin’ny tany Kanaana, izay nozarain’i Eleazara mpisorona sy i Jôsoe zanak’i Nona, ary ny loham-pianakaviana amin’ny fokon’i Israely.


Ireo no lova nozarain’i Eleazara mpisorona, sy i Jôsoe zanak’i Nona, ary ny loham-pianakaviana amin’ny fokon’ny zanak’i Israely, tamin’ny filokana, tany Silô, teo anatrehan’i Iaveh, teo am-baravaran’ny trano lay fihaonana. Izany no nanaperany ny fizaràna ny tany.