Kerobima roa vita tamin’ny hazo ôliva maniry ho azy, no nataony tao anatin’ny Fitoerana masina, folo hakiho avy no haavony.
Eksodosy 36:8 - Baiboly Katolika Ny olo-mahay rehetra tamin’izay niasa tamin’io raharaha io, no nanao ny Fonenana tamin’ny ambainy folo: rongony madinika mihasina, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, mbamin’ny kerobima no nanaovany azy; asan’ny mpanenona mahay. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny manan-talenta rehetra teo amin’izay nanao ny raharaha dia nanamboatra ny tabernakely: Ambainy folo amin’ny lamba rongony fotsy madinika voatenona, lamba manga, volomparasy, jaky; kerobima, asan’ny mpanenona mahay, no nataony sorany. DIEM PROTESTANTA Dia nanamboatra ny fonena-masina ny mpahay taozavatra mahay indrindra; lamba temitra folo vita amin’ny kiran-drongony mafy, mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, no nanaovany azy, ka noravahany kerobima vita peta-kofehy tsara. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nanamboatra ny fonena-masina ny mpahay taozavatra mahay indrindra; lamba temitra folo vita amin’ny kiran-drongony mafy, mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, no nanaovany azy, ka noravahany kerobima vita peta-kofehy tsara. Baiboly Protestanta Malagasy ARY ny hendry rehetra teo amin’izay nanao ny raharaha dia nanao ny tabernakely: dia ambainy folo amin’ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan’ny mpanenona mahay, no nataony sorany. Malagasy Bible Ary ny hendry rehetra teo amin'izay nanao ny raharaha dia nanao ny tabernakely: dia ambainy folo amin'ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan'ny mpanenona mahay, no nataony sorany. La Bible en Malgache Ny manan-talenta rehetra teo amin’izay nanao ny raharaha dia nanamboatra ny tabernakely*: Ambainy folo amin’ny lamba rongony fotsy madinika voatenona, lamba manga, volomparasy, jaky; kerobima*, asan’ny mpanenona mahay, no nataony sorany. |
Kerobima roa vita tamin’ny hazo ôliva maniry ho azy, no nataony tao anatin’ny Fitoerana masina, folo hakiho avy no haavony.
Ary i Davida nanao trano ho azy tao an-tanànan’i Davida, dia nanomana fitoerana ho an’ny fiaran’Andriamanitra, ka nanorin-day ho azy.
Ka niara-niakatra tamin’ny fiangonana rehetra i Salômôna ho any amin’ny fitoerana avo any Gabaôna. Fa tao ny trano lay fihaonan’Andriamanitra nataon’i Môizy, mpanompon’i Iaveh, tany an’efitra;
Nanao kerobima roa, taozavatra voasikotra, tao amin’ny efitrano masina indrindra, ary nopetahany volamena ireo.
Ary hanao kerobima volamena roa ianao hataonao an-tefiny, dia iray avy no ho eo an-daniny roa amin’ny fanaovam-panavotana;
Fa eo no hihaonako aminao; ary eo ambonin’ny fanaovam-panavotana, anelanelan’ny kerobima roa, izay ao ambonin’ny fiaran’ny vavolombelona, no hampandrenesako anao ny didy rehetra homeko anao ho an’ny zanak’i Israely.»
Ary indro nanampiko azy koa i Oôliaba, zanak’i Akisemeka, avy amin’ny fokon’i Dana, ary efa nasiako fahendrena ny fon’ny lehilahy mahay rehetra, mba hanaovany an’izay rehetra nandidiako anao,
dia ny trano lay fihaonana, ny fiaran’ny vavolombelona, ny fanaovam-panavotana eo amboniny, ny fanaka rehetra amin’ny trano lay;
Aoka hanatona izay rehetra manam-pahaizana aminareo hanao izay rehetra nasain’i Iaveh atao:
Valo amby roapolo hakiho no halavan’ny ambainy iray ary efatra hakiho no sakany; mitovy avokoa ny haben’ny ambainy rehetra.
Nofisahina ho takelany manify ny volamena, dia nohetezana ho kofehy, vao nafehy tamin’ny rongony madinika, tenona misoratsoratra.