Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 31:6 - Baiboly Katolika

6 Ary indro nanampiko azy koa i Oôliaba, zanak’i Akisemeka, avy amin’ny fokon’i Dana, ary efa nasiako fahendrena ny fon’ny lehilahy mahay rehetra, mba hanaovany an’izay rehetra nandidiako anao,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Ary indro Aho efa nanome an’i Oholiaba, zanak’i Ahisamaka, avy amin’ny fokon’i Dana, ho namany; ary ny fon’izay manan-talenta rehetra dia efa nasiako fahendrena mba hanaovany izay rehetra efa nandidiako anao,

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

6 Ary indro nomeko ho lefiny i Ôhôliaba, zanakalahin’i Ahisamàka, avy amin’ny fokon’i Dana, sady efa nomeko ny fahakingana lehibe izay an’ireo mpahay taozavatra hafa koa. Izy ireo no hiaraka hanatanteraka izay rehetra nandidiako anao hatao:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Ary indro nomeko ho lefiny i Ôhôliaba, zanakalahin’i Ahisamàka, avy amin’ny fokon’i Dana, sady efa nomeko ny fahakingana lehibe izay an’ireo mpahay taozavatra hafa koa. Izy ireo no hiaraka hanatanteraka izay rehetra nandidiako anao hatao:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary, indro, Izaho efa nanome an’i Oholiaba, zanak’i Ahisamaka, avy amin’ny firenen’i Dana, ho namany; ary ny fon’izay hendry rehetra dia efa nasiako fahendrena, mba hanaovany izay rehetra efa nandidiako anao:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary, indro, Izaho efa nanome an'i Oholiaba, zanak'i Ahisamaka, avy amin'ny firenen'i Dana, ho namany; ary ny fon'izay hendry rehetra dia efa nasiako fahendrena, mba hanaovany izay rehetra efa nandidiako anao:

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Ary indro Aho efa nanome an’i Oholiaba, zanak’i Ahisamaka, avy amin’ny fokon’i Dana, ho namany; ary ny fon’izay manan-talenta rehetra dia efa nasiako fahendrena mba hanaovany izay rehetra efa nandidiako anao,

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 31:6
26 Rohy Ifampitohizana  

dia indro, tanterahiko ny teninao, fa omeko saina hendry sy mahiratra ianao, ka ny olona talohanao tsy nisy toa anao, ary tsy hisy toa anao ny olona hitsangana ato aoriana.


Ireo olo-mahay rehetra nofenoiko fanahim-pahendrena no hantsoinao, dia izy no hanao ny fanamiana ho an’i Aarôna mba hohamasinina izy hanaovany ny fisoronana amiko.


hisokirany vato halatsaka an-tranontranony, handrafetana hazo, ary hanaovana taozavatra isan-karazany.


Aoka hanatona izay rehetra manam-pahaizana aminareo hanao izay rehetra nasain’i Iaveh atao:


Efa nataon’Andriamanitra ao am-pony koa ny fahaiza-mampianatra; ary toy izany no nataony tamin’i Oôliaba, zanak’i Akisameka, amin’ny fokon’i Dana.


Samy efa nofenoiny fahaizana hahavitana ny asa rehetra fisokirana sarin-javatra sy ilam-pahaizana, hanenomana jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, rongony madinika, asiana sary samihafa, hanaovana taozavatra samihafa isan-karazany ary hamoronana fomban-taozavatra vaovao.»


Niteny tamin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra i Môizy ka nanao hoe: «Izao no nodidian’i Iaveh hatao:


Ny olo-mahay rehetra tamin’izay niasa tamin’io raharaha io, no nanao ny Fonenana tamin’ny ambainy folo: rongony madinika mihasina, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, mbamin’ny kerobima no nanaovany azy; asan’ny mpanenona mahay.


ary ny nanampy azy dia i Oôliaba, zanak’i Akisameka, amin’ny fokon’i Dana, mahay manao sary sokirina, mamorona fomban-taozavatra vaovao, manao tenona misoratsoratra amin’ny jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, rongony madinika.


Ireo no ilay Aarôna sy ilay Môizy, izay nilazan’i Iaveh hoe: «Ento mivoaka hiala amin’ny tany Ejipta ny zanak’i Israely, araka ny antokony avy.»


Nony afaka izany dia nifidy roa amby fitopolo lahy hafa koa ny Tompo ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy, any amin’ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany.


Raha nanao fanompoam-pivavahana tamin’ny Tompo sy nifady hanina izy ireo, dia hoy ny Fanahy Masina taminy: «Atokàny ho ahy i Saoly sy i Barnabe, mba hanao ny asa izay niantsoako azy.»


Raha misy tsy manam-pahendrena aminareo, dia aoka izy hangataka izany amin’Andriamanitra, fa homeny azy tokoa izany; satria sady manome malalaka ho an’ny olona rehetra Izy no tsy mba mandatsa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra