Eksodosy 30:12 - Baiboly Katolika «Raha avy izay hanisanao ny zanak’i Israely mba hahitana ny isany, dia samy hanome avotra aina ho an’i Iaveh izy tsirairay avy rehefa hatao ny fanisana azy, mba tsy hisy loza manjò azy, amin’ny fanisana azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa manao fanisana ny Zanak’Israely rehetra ianao amin’ny fandaminana azy dia samy handoa avotry ny ainy ho an’NY TOMPO avy ny olona tsirairay, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy rehefa isaina izy. DIEM PROTESTANTA –Rehefa manao ny fanisam-bahoaka amin’ny Israelita ianao, dia samy handoa hetra ho AHY ny olona tsirairay hanavotana ny ainy, mba tsy hisy loza hanjo azy amin’ny fanisana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Rehefa manao ny fanisam-bahoaka amin’ny Israelita ianao, dia samy handoa hetra ho AHY ny olona tsirairay hanavotana ny ainy, mba tsy hisy loza hanjo azy amin’ny fanisana. Baiboly Protestanta Malagasy Raha maka ny isan’ny Zanak’Isiraely araka ny fandaminana azy hianao, dia samy handoa avotry ny ainy avy ho an’i Jehovah ny isan-olona, raha alamina izy, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha alamina izy. Malagasy Bible Raha maka ny isan'ny Zanak'Isiraely araka ny fandaminana azy ianao, dia samy handoa avotry ny ainy avy ho an'i Jehovah ny isan-olona, raha alamina izy, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha alamina izy. La Bible en Malgache Rehefa manao fanisana ny Zanak’Israely rehetra ianao amin’ny fandaminana azy dia samy handoa avotry ny ainy ho an’NY TOMPO avy ny olona tsirairay, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy rehefa isaina izy. |
Mifidiana ianao: telo taona mosarena, sa telo volana hanosen’ny fahavalonao anao sy hahavoazan’ny sabatry ny fahavalonao anao, sa telo andro hitoeran’ny sabatr’i Iaveh sy ny pesta amin’ny tany, ka hahavita fandringanana eran’ny tanin’i Israely ny Anjelin’i Iaveh? Hevero amin’izao izay valy homeko an’izay naniraka ahy.»
Ka dia nandefa pesta hamely an’i Israely i Iaveh, ka nahafatesana 70.000 ny olona amin’i Israely.
Fa hoy ny navalin’i Jôaba: «Hotongavin’i Iaveh injato toy izao anie ny hamaroan’ny vahoakany! Ary moa tsy mpanompon’ny tompoko va izy ireo, ry mpanjaka tompoko? Ka nahoana no dia itadiavan’ny tompoko an’izany? Nahoana no dia hitarika fahotana ho amin’i Israely?»
Efa nanomboka ny fanisana i Jôaba zanak’i Sarvià, fa tsy nahatapitra izany, satria azon’ny hatezeran’i Iaveh noho izany i Israely ka ny isa efa hita dia tsy voasoratra ao amin’ny rejistry ny tantaran’i Davida mpanjaka.
ka nantsoin’ny mpanjaka i Jôiadà mpisorona lehibe, nilazany hoe: «Ahoana no tsy nikarakaranao izay hitondran’ny Levita avy amin’i Jodà sy i Jerosalema ny hetra nasain’i Môizy mpanompon’i Iaveh sy ny fiangonana, haloan’i Israely ho an’ny trano lain’ny vavolombelona?
Ary naely eran’i Jodà sy i Jerosalema fa isan’olona dia tsy maintsy mitondra ho an’i Iaveh ny hetra nodidian’i Môizy mpanompon’i Iaveh haloan’i Israely, tany an’efitra.
dia hamindra fo aminy Andriamanitra, ka hanao amin’ny Anjely hoe: ‹Afaho tsy hidina any an-davaka izy, fa efa nahita ny avotry ny ainy Aho.›
Ka matahora fandrao tezitra Andriamanitra ka vesarany famaizana ianao; ary sao voafitaky ny fanatitrao sarobidy ianao.
«Efa naka ny isan’ny mpanafika fehinay izahay mpanomponao, ka tsy nisy latsaka isa izahay na dia iray aza.
Koa aterinay ho fanatitra ho an’i Iaveh kosa, ny firavaka volamena efa hitany avy, dia fehi-tanana, rojo madinika, masom-bolamena, kavina ary fehivozona hanaovana ny fanonerana ho anay eo anatrehan’i Iaveh.»
dia tahaka ny Zanak’olona izany; fa Izy tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.»
Fa ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.»
izay nanolotra ny Tenany ho avotry ny olombelona rehetra: zavatra voaambara tamin’ny fotoany izany,