Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 30:12 - DIEM PROTESTANTA

12 –Rehefa manao ny fanisam-bahoaka amin’ny Israelita ianao, dia samy handoa hetra ho AHY ny olona tsirairay hanavotana ny ainy, mba tsy hisy loza hanjo azy amin’ny fanisana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Rehefa manao fanisana ny Zanak’Israely rehetra ianao amin’ny fandaminana azy dia samy handoa avotry ny ainy ho an’NY TOMPO avy ny olona tsirairay, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy rehefa isaina izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 –Rehefa manao ny fanisam-bahoaka amin’ny Israelita ianao, dia samy handoa hetra ho AHY ny olona tsirairay hanavotana ny ainy, mba tsy hisy loza hanjo azy amin’ny fanisana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 «Raha avy izay hanisanao ny zanak’i Israely mba hahitana ny isany, dia samy hanome avotra aina ho an’i Iaveh izy tsirairay avy rehefa hatao ny fanisana azy, mba tsy hisy loza manjò azy, amin’ny fanisana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Raha maka ny isan’ny Zanak’Isiraely araka ny fandaminana azy hianao, dia samy handoa avotry ny ainy avy ho an’i Jehovah ny isan-olona, raha alamina izy, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha alamina izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Raha maka ny isan'ny Zanak'Isiraely araka ny fandaminana azy ianao, dia samy handoa avotry ny ainy avy ho an'i Jehovah ny isan-olona, raha alamina izy, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha alamina izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Rehefa manao fanisana ny Zanak’Israely rehetra ianao amin’ny fandaminana azy dia samy handoa avotry ny ainy ho an’NY TOMPO avy ny olona tsirairay, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy rehefa isaina izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 30:12
21 Rohy Ifampitohizana  

Dia nitsangana hampidi-doza an’i Israely i Satàna ka nitaona an’i Davida hanisa ny vahoaka israelita.


telo taona hisian’ny mosary ve; sa telo volana haharesy anao eo anatrehan’ny mpiady aminao sy hahatraran’ny sabatry ny fahavalonao anao; sa telo andro hamelezan’ny TOMPO amin’ny sabatra, dia ny aretina pesta, ka ny anjelin’ny TOMPO no hanao fandringanana eran’ny tanin’i Israely? Koa hevero tsara izay valin-teny hoentiko any amin’Ilay naniraka ahy.


Dia aretina pesta no nalefan’ny TOMPO hamelezana an’i Israely, ka nahafatesana fito alina ny Israelita.


Dia hoy i Jôaba hoe: –Ry andriamanjaka ô, hampitomboin’ny TOMPO ho injaton’izao anie ny isan’ny vahoakany! Efa mpanomponao izy rehetra. Koa nahoana ianao, ry andriamanjaka, no mitady an’izany fanisam-bahoaka izany? Nahoana ianao no hitarika fahotana ho amin’i Israely?


Nanomboka fanisana i Jôaba zanakalahin’i Tseroià fa tsy namarana, noho ny fahatezeran’Andriamanitra vokatr’izany tamin’i Israely; ka tsy voasoratra ao amin’ilay boky atao hoe «Tantaran’i Davida mpanjaka» ny isan’ny mponina.


Koa nampanantsoin’ny mpanjaka i Jôiadà mpisorombe ary nataony hoe: «Nahoana no tsy nohizingizininao ny hitondran’ny levita ny hetra avy tamin’ny mponin’i Joda sy Jerosalema, araka ny didin’i Mosesy mpanompon’ny TOMPO fony izy namory ny vahoaka Israely? Hanasoavana ny Fonena-masina misy ny raki-tsoratry ny Fanekempihavanana io hetra io,


Ary nandefasan-teny eran’i Joda sy i Jerosalema mba haterina ho an’ny TOMPO ny hetra izay nasain’i Mosesy mpanompon’Andriamanitra hoefain’ny Israelita fony izy tany an-taniefitra.


dia hiantra azy ilay anjely ka hanao amin’Andriamanitra hoe: «Aza avela hidina any am-pasana izy, fa efa nahita avotra ho azy aho.»


Aoka tsy hampisendaotra anao ny famaizana, ary tsy hampivily anao ny fanaovan-kolikoly.


izay mitoky amin’ny hareny miavosa sy mirehareha amin’ny fananam-beny?


Hoy indray ny TOMPO tamin’i Mosesy:


ka nanao taminy hoe: –Efa nalainay ny isan’ny mpiantafika izay teo ambany fifehezanay, ka tsy nisy latsaka na dia iray aza.


Koa izany no itondranay fanatitra ho an’ny TOMPO mba hanaovana fombam-pivavahana famelan-keloka eo anatrehany ho an’ny tenanay, dia ny firavaka volamena hitan’ny tsirairay avy toy ny rojo, haba, peratra, kavina ary ny haingom-bozona.


Dia tahaka ny Zanak’olona izany: tsy hotompoina manko no nahatongavany fa hanompo ary hanolotra ny ainy ho fanavotana ny besinimaro!


Satria tsy hotompoina no nahatongavan’ny Zanak’olona, fa hanompo ary hanolotra ny ainy ho fanavotana ny besinimaro!


nanolo-tena ho fanavotana ny olona rehetra: izany no porofo mby amin’ny fotoanandrony tokoa fa tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra