Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 30:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Izay rehetra voaisa dia samy hanome vola antsasaky ny sekela, araka ny lanja fampiasa ao amin’ny Toeramasina. Io vola io dia haloa ho Ahy TOMPO,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Izao no haloan’izay rehetra mandalo ny fanisana: Antsasaky ny sekela avy araka ny sekela masina ka gera roapolo ny sekela iray; eny, antsasaky ny sekela ho anjara fanomezana ho an’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Izay rehetra voaisa dia samy hanome vola antsasaky ny sekela, araka ny lanja fampiasa ao amin’ny Toeramasina. Io vola io dia haloa ho Ahy TOMPO,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Izao no haloan’izay rehetra anatin’ny voaisa: antsasaky ny sikla masina izay roapolo gerà; antsasaky ny sikla no ho fanatitra halaina ho an’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Izao no haloan’izay rehetra voalamina, dia antsasaky ny sekely avy araka ny sekely masina (gera roa-polo ny sekely iray), eny, antsasaky ny sekely ho fanatitra ho an’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Izao no haloan'izay re­hetra voalamina, dia antsasaky ny sekely avy araka ny sekely masina (gera roa-polo ny sekely iray), eny, antsasaky ny sekely ho fanatitra ho an'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Izao no haloan’izay rehetra mandalo ny fanisana: Antsasaky ny sekela avy araka ny sekela masina ka gera roapolo ny sekela iray; eny, antsasaky ny sekela ho anjara fanomezana ho an’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 30:13
17 Rohy Ifampitohizana  

–Tompokolahy ô, henoy aho! Izay tany lanjambidy efajato sekela volafotsy ve dia ho inona amiko sy aminao? Fa aleveno ny fatin’ny vadinao.


Saingy tsy nofoanany ny toeram-panasinana, ka mbola tonga nitondra sorona sy nandoro azy hanetona teny ihany ny olona.


Indray andro dia hoy i Jôasy tamin’ireo mpisorona: –Angoninareo izay vola rehetra entina ato an-tranon’ny TOMPO, dia ny vola nandoavan’ny olona ny hetrany na ny vola natolotra an-tsitrapo. Asaivo hangonin’ireo mpandray vola voatendry izany ka hampiasainareo hanamboarana izay hitanareo fa simba amin’ny tempoly.


avy amin’ny Israelita rehetra voaisa ka roapolo taona no ho miakatra.


Ny fitambaran’ny volamena izay nataon’ny Israelita fanatitra, ka nampiasaina tamin’ny fanaovana ny Toeramasina dia 877 kilao sy 300 grama araka ny lanja fampiasa tao amin’ny Toeramasina.


Izany dia mitovy amin’ny dimy grama isan’olona ho an’ny 603 550 lahy izay roapolo taona no ho miakatra tamin’ny fanisana.


Ny sekela volafotsy dia ho gera roapolo, ary ny sekela enimpolo kosa no ho mina iray.


«Ny tombam-bidy rehetra dia araka ny sekela fampiasa ao amin’ny Toeramasina no hanaovana azy; ka milanja folo grama ny sekela iray.


dia araka ny vola tombananao haloany no hanefany voady; «Olona roapolo taona ka hatramin’ny enimpolo taona: ho an’ny lehilahy, dia sekela volafotsy dimampolo, araka ny sekela fampiasa ao amin’ny Toeramasina;


«Raha misy olona manao fanazimbana ny zavatra voatokana ho an’ny TOMPO ka manota tsy nahy momba izany, dia hitondra sorom-panonerana amin’ny TOMPO izy, dia ondrilahy tsy misy kilema, tombanana sekela volafotsy vitsivitsy araka ny sekela fampiasa ao amin’ny Toeramasina: sorom-panonerana izany.


Ny fanavotana ny zaza, izay azo aloa rehefa feno iray volana izy, dia vola sekela dimy araka ny sekela masina izay milanja folo grama.


dia hakanao sekela dimy isan’olona; ka araka ny sekela fampiasa ao amin’ny Toeramasina, izany hoe sekela iray milanja folo grama, no hangalanao azy.


Zato grama no lanjan’ny lovia kely volamena iray, ka ny lanjan’ny zinga 12 mitambatra dia 1 200 grama araka ny ventin-danja fampiasa ao amin’ny Toeramasina.


Nony tonga tao Kafarnahòma i Jesoa mbamin’ny mpianany, dia nanatona an’i Petera ireo mpandray ny denàry anankiroa hetran’ny tempoly, ary nanontany azy hoe: –Moa tsy mandoa ny denàry anankiroa hetran’ny tempoly ve ny Mpampianatrareo?


Dia namantana tao an-kianjan’ny tempoly i Jesoa; ka ireo mpivarotra sy mpividy teo dia noroahiny avokoa, ny latabatr’ireo mpanakalo vola sy ny sezan’ireo mpivaro-boromahailala nazerany;


Nony hitan’i Pilato fa tsy nahomby izy fa vao mainka nitombo aza ny tabataba, dia naka rano izy ka nanasa tanana teo anatrehan’ny vahoaka sady nanao hoe: –Afa-tsiny amin’ny hahafatesan’io Lehilahy io aho! Raharahanareo ny anareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra