Fa mbola tsy nitoetra an-trano Aho, hatramin’ny nitondrako ny zanak’i Israely nivoaka avy tany Ejipta ka mandraka androany, fa izao nifindrafindra tamin-day sy tamin-tabernakla izao.
Eksodosy 26:36 - Baiboly Katolika «Ny fidirana ao amin’ny lay, dia anaovy efitra lamba amin’ny jaky volomparasy sy jaky mangatrakatraka sy lamba mena antitra ary rongony fotsy madinika voahasina, voatenona amin’ny soratra maro samihafa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Manaova koa varavarana lamba eo amin’ny lay, manga, volomparasy, jaky, ary rongony fotsy madinika voatenona, asan’ny mahay tenona samihafa soratra. DIEM PROTESTANTA «Momba ny fidirana ao amin’ny tranolay masina dia aoka hanaovan’ny mpanenona za-draharaha varavarana lamba iray hafa amin’ny rongony mafy, mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Momba ny fidirana ao amin’ny tranolay masina dia aoka hanaovan’ny mpanenona za-draharaha varavarana lamba iray hafa amin’ny rongony mafy, mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky. Baiboly Protestanta Malagasy Ary manaova varavarana lamba ho eo amin’ny lay, dia amin’ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan’ny mahay tenona samy hafa soratra. Malagasy Bible Ary manaova varavarana lamba ho eo amin'ny lay, dia amin'ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra. La Bible en Malgache Manaova koa varavarana lamba eo amin’ny lay, manga, volomparasy, jaky, ary rongony fotsy madinika voatenona, asan’ny mahay tenona samihafa soratra. |
Fa mbola tsy nitoetra an-trano Aho, hatramin’ny nitondrako ny zanak’i Israely nivoaka avy tany Ejipta ka mandraka androany, fa izao nifindrafindra tamin-day sy tamin-tabernakla izao.
Tsy nankasitrahiny ny fonenany tao Silô, dia ny lay izay nonenany tao amin’ny olombelona.
«Manaova efitra lamba amin’ny jaky volomparasy sy jaky mangatrakatraka sy lamba mena antitra ary rongony fotsy madinika voahasina, asiana sarin-kerobima, asan-tanan’ny mpanenona mahay;
Ny amin’ny vavahadin’ny kianja, dia hasiana varavarana lamba, roapolo hakiho, vita amin’ny jaky volomparasy, sy jaky mena mangatrakatraka sy lamba mena antitra, ary rongony madinika voahasina, misoratsoratra, mbamin’ny andriny efatra sy faladia efatra.
«Dia manaova saron-tratra fitsarana, asa-mpanenona mahay; hatao mitovy tenona amin’ny efôda, hatao amin’ny volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika mihasina.
Ataovy rongony madinika ny akanjo anatiny, ataovy rongony madinika koa ny hamama, ary ataovy misoratsoratra ny fehikibo.»
ny Fonenana, ny lainy amam-pirakony, ny masom-bolany, ny hazo fisany, ny barany, ny andriny, ny faladiany;
ny ôtely fandoroan-java-manitra mbamin’ny baony, ny diloilo fanosorana, ny zava-manitra fanembohana, ny varavarana lamba amin’ny fidirana ho ao amin’ny Fonenana,
Ny fidirana ho ao amin’ny lay, nanaovana varavarana lamba jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika mihasina, taozavatra misoratsoratra.
Ny lamba varavarana tamin’ny vavahadin’ny kianja dia asan-tenona misoratsoratra, natao tamin’ny jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika mihasina; roapolo hakiho ny halavany, dimy hakiho ny haavony, tahaka ny sakan’ny fefy lamba amin’ny kianja;
ary fehin-kibo rongony mihasina, natao tamin’ny jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, tenon-damasy, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
Natolotra an’i Môizy ny Fonenana, ny trano lay mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, ny jaigrafiny, ny hazo fisany, ny barany; ny andriny, ny faladiany;
Hataonao eo anoloan’ny fiaran’ny vavolombelona ny ôtely volamena fandoran-java-manitra, ary hataonao eo amin’ny fidirana ao amin’ny Fonenana ny varavarana lamba.
Notafiako amborodao ianao, nokiraroako hoditr’ombirano, nohodidiniko rongony fotsy madinika ny lohanao, ary notafiako amparasily.
Ny amin’ny trano lay fihaonana dia izao no niadidian’ny zanak’i Gersôna: ny Fonenana sy ny trano lay, ny rakony, ny varavarana lamba izay ao amin’ny fidiran’ny trano lay fihaonana;
Tamin’ny andro nananganana ny Fonenana, dia nosaronan’ny rahona ny Fonenana, dia ny trano lain’ny vavolombelona izany: nisy zavatra mitarehin’afo teo ambonin’ny Fonenana hatramin’ny hariva ka mandra-paharain’ny andro.
Izaho no varavarana. Raha Izaho no hidiran’ny olona, dia hovonjena izy, ka hiditra sy hivoaka, sady hahita hanina.
Ary hoy i Jesoa taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.