Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 26:36 - DIEM PROTESTANTA

36 «Momba ny fidirana ao amin’ny tranolay masina dia aoka hanaovan’ny mpanenona za-draharaha varavarana lamba iray hafa amin’ny rongony mafy, mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

36 Manaova koa varavarana lamba eo amin’ny lay, manga, volomparasy, jaky, ary rongony fotsy madinika voatenona, asan’ny mahay tenona samihafa soratra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

36 «Momba ny fidirana ao amin’ny tranolay masina dia aoka hanaovan’ny mpanenona za-draharaha varavarana lamba iray hafa amin’ny rongony mafy, mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

36 «Ny fidirana ao amin’ny lay, dia anaovy efitra lamba amin’ny jaky volomparasy sy jaky mangatrakatraka sy lamba mena antitra ary rongony fotsy madinika voahasina, voatenona amin’ny soratra maro samihafa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

36 Ary manaova varavarana lamba ho eo amin’ny lay, dia amin’ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan’ny mahay tenona samy hafa soratra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

36 Ary manaova varavarana lamba ho eo amin'ny lay, dia amin'ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

36 Manaova koa varavarana lamba eo amin’ny lay, manga, volomparasy, jaky, ary rongony fotsy madinika voatenona, asan’ny mahay tenona samihafa soratra.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 26:36
19 Rohy Ifampitohizana  

Fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin’ny andro nampiarako ny Israelita avy tany Ejipta ka mandraka androany, fa tao anaty lay sy tao anaty fonena-masina Aho no mifindrafindra toerana.


nilaozany ny fonenany tao Silao, dia ny tranolay nitoerany teo amin’ny olona.


«Mpahay taozavatra no hanao efitra lamba iray amin’ny rongony mafy mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, ravahana kerobima roa vita amin’ny peta-kofehy tsara.


Ny vavahadin’ny kianja kosa dia hasiana varavarana lamba folo metatra, hamboarin’ny mpanao peta-kofehy amin’ny kiran-drongony mafy mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, ka hahantona amin’ny andry efatra misy faladiany efatra.


«Mpahay taozavatra no hanao ny saron-tratra fitsarana amin’ny kiran-drongony mafy, mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, sady hasiana peta-kofehy volamena toy ny efôda.


«Farany dia hanenomana akanjo lava vita rongony i Aharôna, ary hanaovana satroka fehiloha rongony sy fehikibo vita peta-kofehy.


dia ny fonena-masina miaraka amin’ny tranolay sy ny rakotra hiaro azy, ny farango, ny hazo fisaka, ny barany, ny andry miaraka amin’ny faladiany;


ny alitara fandoroana vovo-javamanitra sy ny baony, ny ilomasina fanokanana, ny vovo-javamanitra hodorana, ny varavarana lamba eo amin’ny fidirana mankao amin’ny fonena-masina;


Ho an’ny fidirana ao an-tranolay dia mpanao peta-kofehy no nanao efitra lamba iray hafa tamina kiran-drongony mafy mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky.


Ny efitra lamba eo am-bavahadin’ny kianja dia namboarin’ny mpanao peta-kofehy tamin’ny kiran-drongony mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky; mirefy folo metatra ny halavany ary roa metatra sy sasany ny haavony, tahaka ireo temitra lamban’ny kianja.


Fa ny fehikibo vita peta-kofehy no natao tamin’ny kiran-drongony mafy nifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Nentin’ny Israelita tany amin’i Mosesy avokoa ny zavatra momba ny fonena-masina, dia: –ny tranolay sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy toy ny farango, ny hazo fisaka, ny barany, ny andry ary ny faladiany;


Hapetraka eo anoloan’ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ilay alitara volamena fandorana ditin-kazo manitra; ny efitra lamba dia hapetaka eo amin’ny fidirana mankao amin’ny fonena-masina.


Nomeko fitafiana vita peta-kofehy sy kapa hoditra tsara ary fehikibo rongony fotsy sy lamba landy ianao.


Niandraikitra ny amin’ny Tranolay fihaonana no raharahan’i Gersônita; dia ny Fonena-masina, ny lay, ny firakony, ny lambam-baravaran’ny Tranolay fihaonana,


Tamin’ny andro nananganana ny Fonena-masina, dia nisy rahona nandrakotra ny Tranolay nitahirizana ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana. Amin’ny hariva izy io dia mazava toy ny afo eo ambonin’ny Tranolay mandra-maraina.


Izaho no vavahady: raha amin’ny alalako no idiran’ny ondry, dia hovonjena izy ary ho afa-miditra sy mivoaka ny vala sady hahita tanim-bilona.


Fa novalian’i Jesoa hoe: –Izaho no lalana sy fahamarinana ary aina; tsy misy olona mankany amin’ny Ray raha tsy amin’ny alalako.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra