Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 28:39 - Baiboly Katolika

39 Ataovy rongony madinika ny akanjo anatiny, ataovy rongony madinika koa ny hamama, ary ataovy misoratsoratra ny fehikibo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

39 Ataovy amin’ny rongony fotsy madinika tenom-boaroy ny akanjo lava ary manaova fehiloha amin’ny lamba rongony fotsy madinika sy fehikibo, asan’ny mahay tenona samihafa soratra.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

39 «Farany dia hanenomana akanjo lava vita rongony i Aharôna, ary hanaovana satroka fehiloha rongony sy fehikibo vita peta-kofehy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

39 «Farany dia hanenomana akanjo lava vita rongony i Aharôna, ary hanaovana satroka fehiloha rongony sy fehikibo vita peta-kofehy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

39 Ary ny akanjo lava dia ataovy hariry madinika tenom-boaroy; ary manaova hamama rongony fotsy madinika sy fehin-kibo, asan’ny mahay tenona samy hafa soratra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

39 Ary ny akanjo lava dia ataovy hariry madinika tenom-boaroy; ary manaova hamama rongony fotsy madinika sy fehin-kibo, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

39 Ataovy amin’ny rongony fotsy madinika tenom-boaroy ny akanjo lava ary manaova fehiloha amin’ny lamba rongony fotsy madinika sy fehikibo, asan’ny mahay tenona samihafa soratra.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 28:39
10 Rohy Ifampitohizana  

Feno famirapiratana ny zanaka vavin’ny mpanjaka ao anatin’ny trano: volamena voatenona no itafiany.


«Ny fidirana ao amin’ny lay, dia anaovy efitra lamba amin’ny jaky volomparasy sy jaky mangatrakatraka sy lamba mena antitra ary rongony fotsy madinika voahasina, voatenona amin’ny soratra maro samihafa.


Ny amin’ny vavahadin’ny kianja, dia hasiana varavarana lamba, roapolo hakiho, vita amin’ny jaky volomparasy, sy jaky mena mangatrakatraka sy lamba mena antitra, ary rongony madinika voahasina, misoratsoratra, mbamin’ny andriny efatra sy faladia efatra.


Ka izao no fanamiana hataon’izy ireo: saron-tratra iray, efôda iray, akanjo lava iray, akanjo anaty misy amborodao iray, satroka hamama iray ary fehin-kibo iray. Ireo no fanamiana masina hataony ho an’i Aarôna rahalahinao, sy ny zanany, mba ho mpisorona hanao fanompoana ahy izy ireo.


Raha efa izany alao ireo fanamiana, ka ampiankanjoy an’i Aarôna ny akanjo anatiny, ny akanjo lavan’ny efôda, ary ny efôda sy ny saron-tratra, dia etrao amin’ny fehikibon’ny efôda izy.


Ataovy eo an-dohany ny hamama, ary ataovy eo amin’ny hamama ilay diademam-pahamasinana.


Ary ampandrosoy koa ireo zanany, ka ampiakanjoy ny tonîka.


Akanjo anatiny rongony, asan-tanan’ny mpanenona, no natao ho an’i Aarôna sy ireo zanany;


Ny tonîka masina vita amin’ny rongony madinika no hiakanjoany, kalisaona rongony madinika no hataony manolo-koditra, fehinkibo rongony madinika no hietràny ary hamama rongony madinika no hisatrohany; ireo fanamiana masina ireo no hitafiany rehefa avy nandro tamin’ny rano izy.


Tsy handrahoina amin’ny lalivay izany. Izany no anjarany natokako ho azy, avy amin’ny fanatitra hodorana amin’ny afo ho Ahy. Zava-masina dia masina izany, toy ny sorona noho ny ota sy ny sorona fanonerana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra