ka tojo ny haizina amin’ny antoandro izy ireny ary miraparapa toy ny amin’ny alina, amin’ny mitatao vovonana indrindra.
Eksodosy 10:22 - Baiboly Katolika Dia nahinjitr’i Môizy nanandrify ny lanitra ny tanany, ka nisy haizim-pito ny tany Ejipta tontolo, nandritra ny hateloana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia natsotran’i Mosesy nanandrify ny lanitra ny tanany ka nisy haizim-pito naharitra hateloana nanerana ny tany Ejipta manontolo. DIEM PROTESTANTA Natsangan’i Mosesy manondro lanitra tokoa ny tanany, dia nisy haizina mikitroka mandritra ny telo andro teo amin’ny tany Ejipta manontolo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Natsangan’i Mosesy manondro lanitra tokoa ny tanany, dia nisy haizina mikitroka mandritra ny telo andro teo amin’ny tany Ejipta manontolo. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nahinjitr’i Mosesy nanandrify ny lanitra ny tànany; dia nisy aizim-pito eran’ny tany Egypta rehetra hateloana, Malagasy Bible Dia nahinjitr'i Mosesy nanandrify ny lanitra ny tànany; dia nisy aizim-pito eran'ny tany Egypta rehetra hateloana, La Bible en Malgache Dia natsotran’i Mosesy nanandrify ny lanitra ny tanany ka nisy haizim-pito naharitra hateloana nanerana ny tany Ejipta manontolo. |
ka tojo ny haizina amin’ny antoandro izy ireny ary miraparapa toy ny amin’ny alina, amin’ny mitatao vovonana indrindra.
Dia nijanona teny lavitra teny ihany ny vahoaka, fa i Môizy no nanatona ny rahona izay nisy an’Andriamanitra.
Hanandratra ny masony any ambony, dia hanondrika azy amin’ny tany indray: Ka indro ny fahoriana, ny haizina, ny tebiteby mampanjombona; horoahina any amin’ny haizim-pito izy.
Amin’ny hamonoako anao, hotakonako ny lanitra, ary hohamaiziniko ny kintana, ny masoandro hosaronako rahona; ny volana, tsy handefa intsony ny fahazavany.
Hotafiako fisaonana noho ny aminao ny kintana mamirapiratra rehetra eny an-danitra; ary ny taninao hosaronako haizim-be - teny marin’ny Tompo Iaveh.-
Andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy manjavona mainty! Toy ny fahazavan’ny maraina, manerana ny tendrombohitra, no iavian’ity firenena maro sady mahery, tsy mbola nisy toy izany hatrizay hatrizay, ary tsy hisy toy izany any aoriana any, hatramin’izay taon-ko avy amin’ny andro mbola ho ela indrindra.
Satria izy no namorona ny tendrombohitra, sy nahary ny rivotra; izay mampahafantatra ny heviny amin’ny olombelona, izay mahatonga ny maraina ho maizina, sy mandia ny tampon’ny tany! Iaveh, Andriamanitry ny tafika no Anarany.
Koa ny orana nahantoko tsy ho aminareo, raha mbola telo volana sisa vao ho fararano; tamin’ny tanàna iray nataoko avy ny orana; fa tamin’ny tanàna iray hafa kosa, tsy nalatsako ny orana; ny faritany iray tondrahan’ny orana; fa ny faritany iray hafa kosa, izay tsy nilatsahan’ny orana, dia nihamaina.
Dia nanatona ianareo, ka nitoetra teo ambodin’ny tendrombohitra, ary ny tendrombohitra nirehitra afo nanakatra ny tampon’ny lanitra teo afovoan’ny haizina sy rahona amana haizim-pito.
Koa ankehitriny nahoana no dia ho faty izahay? Fa ho levon’io afo lehibe io izahay, ary ho faty izahay, raha mbola mandre ny feon’i Iaveh Andriamanitsika indray.»
Nandraraka ny tao anaty kapoakany tamin’ny seza fiandrianan’ny Biby koa ny Anjely fahadimy, dia tonga maizina ny fanjakany ka nanaikitra ny lelany ny olona noho ny fijaliany;