Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 10:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Natsangan’i Mosesy manondro lanitra tokoa ny tanany, dia nisy haizina mikitroka mandritra ny telo andro teo amin’ny tany Ejipta manontolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Dia natsotran’i Mosesy nanandrify ny lanitra ny tanany ka nisy haizim-pito naharitra hateloana nanerana ny tany Ejipta manontolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Natsangan’i Mosesy manondro lanitra tokoa ny tanany, dia nisy haizina mikitroka mandritra ny telo andro teo amin’ny tany Ejipta manontolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Dia nahinjitr’i Môizy nanandrify ny lanitra ny tanany, ka nisy haizim-pito ny tany Ejipta tontolo, nandritra ny hateloana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Dia nahinjitr’i Mosesy nanandrify ny lanitra ny tànany; dia nisy aizim-pito eran’ny tany Egypta rehetra hateloana,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Dia nahinjitr'i Mosesy nanandrify ny lanitra ny tànany; dia nisy aizim-pito eran'ny tany Egypta rehetra hateloana,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

22 Dia natsotran’i Mosesy nanandrify ny lanitra ny tanany ka nisy haizim-pito naharitra hateloana nanerana ny tany Ejipta manontolo.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 10:22
13 Rohy Ifampitohizana  

Tojo ny haizina amin’ny andro antoandro izy; ka dia amin’ny mitataovovonana, no iraparapany toy ny amin’ny alina.


Dia nahatonga haizim-pito Andriamanitra ka nanjary maizina izany tany izany ary tsy nisy nahatohitra ny teniny.


Dia nijanona teny lavitra teny ny Israelita, fa i Mosesy kosa nanatona ny rahona matevina izay nisy an’Andriamanitra.


ary hiondrika hijery ny tany, ka indro fahoriana sy haizina no hitany, haizim-pito mampitebiteby sy alina tsy misy mangirana.


Rehefa maty ianao, dia hohamaiziniko ny lanitra, hosaronako ny fahazavan’ny kintana, hotakonako rahona ny masoandro ary tsy hamirapiratra intsony ny hazavan’ny volana.


Noho ny aminao, dia hosaronako ny fahazavana rehetra eny an-danitra, ary horakofako haizina ny taninao; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.


Ho andro maizina tanteraka rakofan-drahona sy zavona izany. Indro avy ny tafiky ny bibikely, andiany marobe sady matanjaka, ary tahaka ny aloka mandrakotra ny tendrombohitra; tsy mbola nisy toy izany hatrizay hatrizay sady tsy hisy toy izany intsony any aoriany.


Satria tandremo fa Izy no mpamorona ny tendrombohitra sy mpahary ny rivotra, Izy no manambara amin’ny olombelona ny fikasany, mahatonga ny maraina ho haizina sady mandeha eny am-paratampon’ny tany: Ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao no anarany.


Izaho mihitsy no efa nampihantona ny orana tsy ho eo aminareo, raha mbola telo volana mialoha ny fararano. Ka tamin’ny tanàna anankiray nandatsahako orana, fa tamin’ny tanàna iray kosa tsy nandatsahako; ny saha anankiray nilatsahan’ny orana, fa ny saha iray kosa tsy mba nilatsahany ka maina.


Dia nanatona ianareo ka nijoro teo am-bodin’ny tendrombohitra; nirehitra afo manaka-danitra kosa ilay tendrombohitra sady rakotra setroka mikitroka sy rahona matevina.


Ireo didy ireo no nampitain’ny TOMPO tamim-peo mahery tany an-tendrombohitra, avy tao anatin’ny afo sy ny setroka ary ny rahona mikitroka. Ianareo Israelita rehetra izay tafavondrona teo am-bodin’ny tendrombohitra no nampitany azy ary tsy nanampiany na inona na inona. Ireo didy ireo avy eo dia nosoratany tamin’ny takela-bato anankiroa izay natolony ahy.


Dia nandraraka ny tao an-doviany tamin’ny sezafiandrianan’ilay biby ny anjely fahadimy; ka tonga maizina ny fanjakan’ilay biby ary nanaiki-dela ny olona noho ny fanaintainana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra