Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 10:23 - Baiboly Katolika

23 Tsy nifankahita izy ireo ary tsy nisy niainga niala tamin’ny toerana nisy azy nandritra ny hateloana; fa ny zanak’i Israely kosa nahazo mazava teo amin’izay toerana nonenany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Tsy nifankahita ny olona ary tsy nisy nihetsika tamin’izay nitoerany nandritra ny hateloana. Fa ny Zanak’Israely rehetra kosa dia nanana ny mazava teo amin’ny fonenany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

23 Tsy afaka mifankahita ny Ejiptianina mandritra ny telo andro, ka tsy nisy nihetsika tao an-tranony. Fa teo amin’ny fonenan’ny Israelita rehetra kosa dia nisy mazava.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Tsy afaka mifankahita ny Ejiptianina mandritra ny telo andro, ka tsy nisy nihetsika tao an-tranony. Fa teo amin’ny fonenan’ny Israelita rehetra kosa dia nisy mazava.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 koa tsy mba nifankahita ny olona, na niala tamin’izay nitoerany, hateloana; fa ny Zanak’Isiraely rehetra kosa nisy mazava teo amin’ny fonenany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 koa tsy mba nifankahita ny olona, na niala tamin'izay nitoerany, hateloana; fa ny Zanak'Isiraely rehetra kosa nisy mazava teo amin'ny fonenany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

23 Tsy nifankahita ny olona ary tsy nisy nihetsika tamin’izay nitoerany nandritra ny hateloana. Fa ny Zanak’Israely rehetra kosa dia nanana ny mazava teo amin’ny fonenany.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 10:23
15 Rohy Ifampitohizana  

Dia nankeo anelanelan’ny tobin’ny Ejiptianina sy ny tobin’ny zanak’i Israely izy; maizina ny ilan’io rahona io; ary ny ilany manazava ny alina, ka tsy nifanatona ny toby roa nandritra ny alina.


Lasa ny andro fito taorian’ny namelezan’i Iaveh ny ony.


Amin’io andro io anefa havahako ny tany Genesa onenan’ny vahoakako, fa tsy mba hisy lali-be ny ao, mba hahafantaranao fa ao afovoan’io tany io Izaho Iaveh.


Hasiako fiavahana ny vahoakako sy ny vahoakanao; ary rahampitso no hisian’izany famantarana izany.»


Ka hoy i Môizy: «Tsy mety ny manao izany, fa zava-padin’ny Ejiptianina ny sorona atolotra an’i Iaveh Andriamanitray; ka raha eo imason’ny Ejiptianina izahay no hanao sorona ny zava-pady, tsy sakoa ataony tora-bato?


Tsy nisy afa-tsy ny tany Genesa, izay nisy ny zanak’i Israely ihany, no tsy nilatsahan’ny havandra.


Hasian’i Iaveh fiavahana ny bibin’i Israely sy ny bibin’ny Ejiptianina: fa ny an’ny zanak’i Israely rehetra tsy hisy maty, na dia iray aza.


Hampandehaniko amin’ny lalan-tsy fantany ny jamba; ary hotarihiko amin’ny sakeli-dalana mbola tsy hitany; ny maizina hataoko mazava eo anoloany; ary ny tany be havoana halamako. Hotanterahiko ireo teny ireo; ary tsy havelako tsy hatao.


Koa ny orana nahantoko tsy ho aminareo, raha mbola telo volana sisa vao ho fararano; tamin’ny tanàna iray nataoko avy ny orana; fa tamin’ny tanàna iray hafa kosa, tsy nalatsako ny orana; ny faritany iray tondrahan’ny orana; fa ny faritany iray hafa kosa, izay tsy nilatsahan’ny orana, dia nihamaina.


Ka dia ho hitanareo indray, ny tsy fitovian’ny marina sy ny ratsy fanahy, ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.


tamin’Izy nanafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina, ka namindra antsika ho ao amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany,


Velon-taraina tamin’i Iaveh izy ireo, ka nasian’i Iaveh haizina teo anelanelanareo sy ny Ejiptianina, nakatony tamin’izy ireny ny ranomasina ka nanafotra azy, ary masonareo no nahita izay nataoko tany Ejipta; dia nitoetra ela tany an’efitra ianareo.


Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, mpisorona manjaka, firenena masina, vahoaka navotana, mba hitorianareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny haizina, ho amin’ny fahazavany mahagaga:


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra