Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 1:20 - Baiboly Katolika

Koa ny mpampivelona nasian’Andriamanitra soa, ary ny vahoaka nihamaro sy nihanahery fatratra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nasian’Andriamanitra soa ireo mpampivelona; ary nihamaro sy nihanahery indrindra ny olona.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Noho izany, dia nihamaro hatrany hatrany ireo Israelita sady nihanahery tokoa. Nasian’Andriamanitra soa ireo mpampivelona,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Noho izany, dia nihamaro hatrany hatrany ireo Israelita sady nihanahery tokoa. Nasian’Andriamanitra soa ireo mpampivelona,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nasian’Andriamanitra soa ny mpampivelona; ary nihamaro sy nihahery indrindra ny olona.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nasian'Andriamanitra soa ny mpampivelona; ary nihamaro sy nihahery indrindra ny olona.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nasian’Andriamanitra soa ireo mpampivelona; ary nihamaro sy nihanahery indrindra ny olona.

Jereo ny toko



Eksodosy 1:20
17 Rohy Ifampitohizana  

Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany, no haben’ny hatsaram-pony amin’izay matahotra Azy.


Nomeny hanina izay matahotra Azy; tsaroany mandrakizay ny fanekeny.


Manatanteraka ny fanirian’izay matahotra Azy Izy, mihaino ny fitarainany sy mamonjy azy.


Satriko ny monina mandrakizay ao an-dainao, mialoka ao ambanin’ny elatrao. - Selà


Te hihaino izay holazain’i Iaveh Andriamanitra aho, - fa manana teny fiadanana ho an’ny vahoakany sy ny mpino Azy Izy, raha tahiny tsy miverina amin’ny fahadalany indray izy ireo. -


Kanjo, araka ny namoretana azy no vao mainka nitomboany sy nihamaroany kosa, ka tonga nankahalain’ny olona ny zanak’i Israely.


Fa hoy ny navalin’ny mpampivelona tamin’i Faraôna: «Tsy mba tahaka ny Ejiptianina anie ny vehivavy Hebrio: matanjaka izy ka mbola tsy tonga akory ny mpampivelona dia efa teraka izy.»


Maro anaka sy nitombo fatratra ny zanak’i Israely, ka tonga maro be sy nahery tokoa ary nanenika ny tany.


Ny ratsy fanahy manao lahasa manodòka, fa izay mamafy fahamarinana kosa dia efa azo antoka ny valiny.


Izay miantra ny mahantra, mampisambotra an’i Iaveh, ka Izy no hamaly ny soa nataony.


fa na hanao ratsy injato aza ny mpanota, ka ho lava andro iainana koa, fantatro fa ny fahasambarana kosa, dia an’izany matahotra an’Andriamanitra, dia izay tsindrian’ny fahatahorana eo anatrehany.


Lazao amin’ny marina fa sambatra izy, satria hihinana ny vokatry ny asany.


ary na iza na iza hanome rano mangatsiaka na dia eran’ny kapoaka monja aza hosotroin’ny anankiray amin’ireo madinika indrindra ireo, noho izy mpianatro, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy.


Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko marina aminareo fa isaky ny nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto havako kely indrindra ireto ianareo, dia nanao izany tamiko.


sady amin’izay matahotra Azy hatramin’ny taranaka fara mandimby ny famindram-pony.


Fa tsy mba tsy marina Andriamanitra, sanatria! Ka hanadino ny asanareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho voninahitry ny Anarany, tamin’ny nanampianareo sy mbola anampianareo ny olo-masina.