Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 1:20 - DIEM PROTESTANTA

20 Noho izany, dia nihamaro hatrany hatrany ireo Israelita sady nihanahery tokoa. Nasian’Andriamanitra soa ireo mpampivelona,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Dia nasian’Andriamanitra soa ireo mpampivelona; ary nihamaro sy nihanahery indrindra ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Noho izany, dia nihamaro hatrany hatrany ireo Israelita sady nihanahery tokoa. Nasian’Andriamanitra soa ireo mpampivelona,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 Koa ny mpampivelona nasian’Andriamanitra soa, ary ny vahoaka nihamaro sy nihanahery fatratra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Dia nasian’Andriamanitra soa ny mpampivelona; ary nihamaro sy nihahery indrindra ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Dia nasian'Andriamanitra soa ny mpampivelona; ary nihamaro sy nihahery indrindra ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

20 Dia nasian’Andriamanitra soa ireo mpampivelona; ary nihamaro sy nihanahery indrindra ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 1:20
17 Rohy Ifampitohizana  

Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany no haben’ny fitiavany amin’izay manaja Azy;


Omeny sakafo ireo matahotra Azy; tsaroany lalandava ny fanekempihavanany.


Manao izay irîn’ny manaja Azy ny Tompo, ary mihaino ny tarainany ka mamonjy azy.


Te hitoetra ao an-tranonao mandrakizay aho, ka hialoka sy hiery eo ambany elatrao. Fiatoana


Te hihaino izay lazain’Andriamanitra TOMPO aho. Fiadanana tokoa no ampanantenainy ho an’ny vahoakany, dia ireo mpivavaka aminy, raha tsy miverina amin’ny hadalàny intsony ireo.


Kanefa arakaraka ny namoretana azy no vao mainka nitomboany sy nahazoany vahana ka natahoran’ny Ejiptianina azy.


Fa namaly ireo mpampivelona hoe: –Tsy mba tahaka ny vehivavy ejiptianina ireo vehivavy hebreo fa matanjaka; koa raha tsy mbola tonga akory ny mpampivelona, dia efa teraka izy.


Taorian’izany dia niteraka betsaka ny Israelita ka nihamaro fatratra sady nihanahery tokoa ka nameno ny tany.


Karama manodoka no raisin’ny olon-dratsy; fa valisoa azo antoka no an’izay mamafy fahamarinana.


Izay manome ny mahantra dia mampisambotra ny TOMPO, fa Izy ihany no hanonitra ny soa nataon’ilay mpiantra.


Mety ho mpanao ratsy an-jatony ny mpanota iray, kanefa dia ela velona ihany. Fantatro kosa ny hoe: «Izay manaja an’Andriamanitra ihany no ho sambatra, dia ireo manaja Azy tokoa.


Sambatra ny olo-marina fa hahita soa izy, ka ny vokatry ny asany no hohaniny.


ary lazaiko marina aminareo fa na iza na iza hanome rano mangatsiaka, na eran’ny kaopy ihany aza, hosotroin’ny anankiray amin’ireo mpianatro madinika ireo noho izy mpianatro, dia tsy ho diso valisoa.


Dia hovalian’ny Mpanjaka hoe: «Lazaiko marina aminareo fa araka izay nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto havako madinika indrindra ireto no nataonareo tamiko.»


Ary hamindra fo hatramin’ny taranaka mifandimby ireo manaja Azy.


Fa tsy manao ny tsy rariny Andriamanitra: tsy hohadinoiny akory ny asanareo sy ny fitiavanareo Azy nasehonareo tamin’ny nanompoanareo sady mbola anompoanareo ny kristianina havanareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra