Ny sambon’i Hirama izay nitondra volamena avy any Ofira, dia nitondra hazo santala be dia be sy vatosoa koa avy any Ofira.
2Tantara 9:10 - Baiboly Katolika Ireo mpanompon’i Hirama sy ireo mpanompon’i Salômôna nitondra volamena avy any Ofira, dia nitondra hazo santala amam-bato soa kosa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny mpanompon’i Hirama koa sy ny mpanompon’i Solomona, izay naka volamena avy tany Ofira, dia nitondra hazo almoga sy vatosoa. DIEM PROTESTANTA Ankoatra izany, ny tantsambon’i Hirama sy ny tantsambon’i Salômôna, izay naka volamena avy tany Ôfira, dia nitondra koa hazo sarobidy sy vatosoa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ankoatra izany, ny tantsambon’i Hirama sy ny tantsambon’i Salômôna, izay naka volamena avy tany Ôfira, dia nitondra koa hazo sarobidy sy vatosoa. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny mpanompon’i Hirama koa sy ny mpanompon’i Solomona, izay naka volamena avy tany Ofira, dia nitondra hazo almoga sy vato soa. Malagasy Bible Ary ny mpanompon'i Hirama koa sy ny mpanompon'i Solomona, izay naka volamena avy tany Ofira, dia nitondra hazo almoga sy vato soa. La Bible en Malgache Ny mpanompon’i Hirama koa sy ny mpanompon’i Solomona, izay naka volamena avy tany Ofira, dia nitondra hazo almoga sy vatosoa. |
Ny sambon’i Hirama izay nitondra volamena avy any Ofira, dia nitondra hazo santala be dia be sy vatosoa koa avy any Ofira.
Fa fanampin’ny sambon’i Hirama, mbola nanana sambo any Tarsisa koa ny mpanjaka, teny ambonin’ny ranomasina; ary tonga isan-telo taona ny sambo avy any Tarsisa, mitondra volamena sy volafotsy ary ivoara, rajako sy vorombola.
Ary nampanaterin’i Hirama sambo sy mpanompo mahay ranomasina ho azy, ny mpanompony. Dia niara-nandeha tamin’ny mpanompon’i Salômôna ireo, ho any Ofira, dia naka talenta volamena 450 ireo, nentiny ho any amin’i Salômôna mpanjaka.
Ka ny hazo santala dia nanaovan’ny mpanjaka arofanina amin’ny tranon’i Iaveh sy ny tranon’ny mpanjaka, ary harpa aman-dokanga ho an’ny mpihira. Tsy mbola nisy nahita hazo toy izany taloha, teo amin’ny tanin’i Jodà.
Talenta volamena valopolo amby zato sy zava-manitra sesehena, ary vato soa no nomeny ny mpanjaka. Tsy nisy zava-manitra be sahala amin’izany nomen’ny mpanjakavavin’i Sabà an’i Salômôna izany intsony.