Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 9:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Ankoatra izany, ny tantsambon’i Hirama sy ny tantsambon’i Salômôna, izay naka volamena avy tany Ôfira, dia nitondra koa hazo sarobidy sy vatosoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Ny mpanompon’i Hirama koa sy ny mpanompon’i Solomona, izay naka volamena avy tany Ofira, dia nitondra hazo almoga sy vatosoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Ankoatra izany, ny tantsambon’i Hirama sy ny tantsambon’i Salômôna, izay naka volamena avy tany Ôfira, dia nitondra koa hazo sarobidy sy vatosoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Ireo mpanompon’i Hirama sy ireo mpanompon’i Salômôna nitondra volamena avy any Ofira, dia nitondra hazo santala amam-bato soa kosa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ary ny mpanompon’i Hirama koa sy ny mpanompon’i Solomona, izay naka volamena avy tany Ofira, dia nitondra hazo almoga sy vato soa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ary ny mpanompon'i Hirama koa sy ny mpanompon'i Solomona, izay naka volamena avy tany Ofira, dia nitondra hazo almoga sy vato soa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Ny mpanompon’i Hirama koa sy ny mpanompon’i Solomona, izay naka volamena avy tany Ofira, dia nitondra hazo almoga sy vatosoa.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 9:10
8 Rohy Ifampitohizana  

Ny sambon’i Hirama, izay naka volamena avy tany Ôfira, dia nitondra hazo sarobidy betsaka tokoa sy vatosoa.


Ny mpanjaka manko dia nanana sambo vaventy izay nitety ranomasina niaraka tamin’ny sambon’i Hirama; ary indray mandeha isan-telo taona ireo sambo vaventy ireo no tonga mitondra volamena sy volafotsy amana ivoara ary koa rajako sy vorombola.


mba hanamboatra hazo betsaka ho ahy, fa ny trano izay tiako hatao dia ho lehibe sy higagana.


Dia nandefa sambo sy matilò mahay ranomasina i Hirama, tamin’ny alalan’ireo tandapany; ary nandeha niaraka tamin’ny tantsambon’i Salômôna ho any Ôfira ireo, ka nahazo volamena 13 taonina mahery ary nitondra izany ho an’i Salômôna mpanjaka.


Ny hazo sarobidy dia nanaovan’i Salômôna gorodona ho an’ny tranon’ny TOMPO sy ny lapan’andriamanjaka ary koa nanamboarany lokanga sy valiha ho an’ny mpihira; ka tsy mbola nisy hita toy izany taloha teo amin’ny tamin’i Joda.


Dia nomen’ilay mpanjakavavy volamena telo taonina sy sasany ary koa zava-manitra sesehena ary vatosoa ny mpanjaka; tsy nisy na oviana na oviana zava-manitra tahaka izay nomen’ny mpanjakavavin’i Sebà o an’i Salômôna.


Tahaka ny sambon’ny mpandranto izy ka mitondra ny haniny avy lavitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra