Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 9:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Dia nomen’ilay mpanjakavavy volamena telo taonina sy sasany ary koa zava-manitra sesehena ary vatosoa ny mpanjaka; tsy nisy na oviana na oviana zava-manitra tahaka izay nomen’ny mpanjakavavin’i Sebà o an’i Salômôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Ary nanome talenta volamena roapolo amby zato sy zavamanitra sesehena ary vatosoa ho an’ny mpanjaka izy; tsy nisy nahatonga zavamanitra be intsony tahaka izay nomen’ny mpanjakavavin’i Sheba an’i Solomona mpanjaka ny tatỳ aoriana rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Dia nomen’ilay mpanjakavavy volamena telo taonina sy sasany ary koa zava-manitra sesehena ary vatosoa ny mpanjaka; tsy nisy na oviana na oviana zava-manitra tahaka izay nomen’ny mpanjakavavin’i Sebà o an’i Salômôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Talenta volamena valopolo amby zato sy zava-manitra sesehena, ary vato soa no nomeny ny mpanjaka. Tsy nisy zava-manitra be sahala amin’izany nomen’ny mpanjakavavin’i Sabà an’i Salômôna izany intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ary izy nanome talenta volamena roa-polo amby zato sy zava-manitra sesehena ary vato soa ho an’ny mpanjaka; tsy nisy intsony zava-manitra tahaka ilay nomen’ny mpanjakavavin’i Sheba an’i Solomona mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ary izy nanome talenta volamena roa-polo amby zato sy zava-manitra sesehena ary vato soa ho an'ny mpanjaka; tsy nisy intsony zava-manitra tahaka ilay nomen'ny mpanjakavavin'i Sheba an'i Solomona mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Ary nanome talenta* volamena roapolo amby zato sy zavamanitra sesehena ary vatosoa ho an’ny mpanjaka izy; tsy nisy nahatonga zavamanitra be intsony tahaka izay nomen’ny mpanjakavavin’i Sheba an’i Solomona mpanjaka ny tatỳ aoriana rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 9:9
10 Rohy Ifampitohizana  

Ka hoy i Jakôba tamin’ireo zanany: –Raha izany àry, dia izao no ataovy: Mitondrà an-kitaponareo zavatra tsara vokatry ny tany mba hataonareo fanomezana ho an’ilay Ejiptianina. Mitondrà zava-manitra isan-karazany: menaka manitra, làdana, tantely, voam-boatavo, ary amandy.


Dia nomen’ilay mpanjakavavy volamena telo taonina sy sasany ary koa zava-manitra sesehena sy vatosoa ny mpanjaka; tsy nisy na ovina na oviana haben-java-manitra tonga tao Israely tahaka izay nomen’ny mpanjakavavin’i Sebà ho an’i Salômôna.


I Hirama anefa nampanatitra volamena telo taonina sy sasany ihany ho an’ny mpanjaka.


Nahare ny lazan’i Salômôna ny mpanjakavavin’i Sebà, ka avy hitsapa azy tamin’ny fanontaniana sarotra. Dia tonga tany Jerosalema izy sy ny mpanaraka azy marobe narahin’ny rameva, nivesatra zava-manitra sy volamena ary vatosoa. Rehefa mby tao amin’i Salômôna ity mpanjakavavy, dia nilaza taminy izay rehetra tao am-pony.


Ankoatra izany, ny tantsambon’i Hirama sy ny tantsambon’i Salômôna, izay naka volamena avy tany Ôfira, dia nitondra koa hazo sarobidy sy vatosoa.


Ka isan-taona dia samy tonga nitondra fanomezana avy izy rehetra: dia kojakoja volafotsy sy volamena ary koa fitafiana sy fiadiana mbamin’ny zava-manitra sy soavaly na ramole.


Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitrao, fa sitrany napetraka eo amin’ny sezafiandrianany ianao mba ho mpanjaka hanompo Azy TOMPO Andriamanitrao; fa ny fitiavan’Andriamanitrao an’i Israely ka hampitoetra azy mandrakizay no nanaovany anao ho mpanjaka mba hampihatra ny rariny sy ny fahamarinana.


Ny mpanjakan’i Tarsisy sy ny an’ireo nosy dia handefa fanomezana ho azy; ny mpanjakan’i Sabà sy ny an’i Sebà kosa ho avy handoa hetra aminy.


Ho ela velona anie ny mpanjaka! Aoka ho volamena avy any Sabà no hatao fanomezana ho azy! Enga anie izy harahim-bavaka lalandava sady horarîna soa isan’andro isan’andro!


Hoy koa ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Makà zava-manitra ianao: dia natafa, ôniksa, galbanoma, ary ramy madio. Ataovy mitovy fatra ireo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra