i Davida sy i Israely rehetra nandihy araka izay tratra teo anatrehan’Andriamanitra; sady nihira niaraka tamin’ny harpa aman-dokanga sy amponga tapaka, sy kipantsona aman’anjomara.
2Tantara 7:6 - Baiboly Katolika Ny mpisorona nitsangana tamin’ny fitoerany avy, mbamin’ny Levita koa nitondra ny zava-manenon’i Iaveh izay nataon’i Davida mpanjaka hiderana an’i Iaveh hoe: Fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony, raha mankalaza an’i Iaveh tamin’ny alalan’izy ireo izy. Nitsoka trômpetra tandrifin’ireo, ny mpisorona, ary tafatsangana i Israely rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Samy nitsangana hanao ny anjara raharahany avy ny mpisorona sy ny levita izay nanana ny zavamanenon’NY TOMPO, izay nataon’i Davida mpanjaka hiderana NY TOMPO, fa mandrakizay ny famindrampony, raha nasain’i Davida nidera an’Andriamanitra izy; ary nitsoka ny trompetra teo anoloany ny mpisorona, ary ny Israely rehetra dia nitsangana teo. DIEM PROTESTANTA Samy nanao ny anjara raharahany avy ny mpisorona fa ny levita kosa nisahana ny zava-maneno masina izay nampamboarin’i Davida mpanjaka mba hiderana ny TOMPO hoe: «Eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!», araka ny hira fiderana nasain’i Davida nataony. Dia nisy koa mpisorona nitsoka trômpetra tetsy andaniny; ary ny vahoaka israelita rehetra teo dia nitsangana avokoa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Samy nanao ny anjara raharahany avy ny mpisorona fa ny levita kosa nisahana ny zava-maneno masina izay nampamboarin’i Davida mpanjaka mba hiderana ny TOMPO hoe: «Eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!», araka ny hira fiderana nasain’i Davida nataony. Dia nisy koa mpisorona nitsoka trômpetra tetsy andaniny; ary ny vahoaka israelita rehetra teo dia nitsangana avokoa. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny mpisorona samy nitsangana hanao ny anjara-raharahany avy; ny Levita koa nanana ny zava-manenon’i Jehovah, izay nataon’i Davida mpanajaka hiderana an’i Jehovah, fa mandrakizay ny famindrampony, raha nasain’i Davida nidera an’Andriamanitra izy; ary ny mpisorona nitsoka ny trompetra teo anoloany, ary ny Isiraely rehetra nitsangana teo. Malagasy Bible Ary ny mpisorona samy nitsangana hanao ny anjara-raharahany avy; ny Levita koa nanana ny zava-manenon'i Jehovah, izay nataon'i Davida mpanjaka hiderana an'i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony, raha nasain'i Davida nidera an'Andriamanitra izy; ary ny mpisorona nitsoka ny trompetra teo anoloany, ary ny Isiraely rehetra nitsangana teo. La Bible en Malgache Samy nitsangana hanao ny anjara raharahany avy ny mpisorona* sy ny levita izay nanana ny zavamanenon’NY TOMPO, izay nataon’i Davida mpanjaka hiderana NY TOMPO, fa mandrakizay ny famindrampony, raha nasain’i Davida nidera an’Andriamanitra izy; ary nitsoka ny trompetra teo anoloany ny mpisorona, ary ny Israely rehetra dia nitsangana teo. |
i Davida sy i Israely rehetra nandihy araka izay tratra teo anatrehan’Andriamanitra; sady nihira niaraka tamin’ny harpa aman-dokanga sy amponga tapaka, sy kipantsona aman’anjomara.
I Sebeniasa, i Jôsafata, i Natanaely, i Amasa, i Zakaria, i Banaiasa, ary i Eleazara mpisorona, no nitsoka anjomara teo alohan’ny Fiaran’Andriamanitra, i Obededôma sy i Jehiasa no mpiandry varavarana teo akaikin’ny Fiara.
Ary nametrahan’i Jôiadà mpitandrina ny tranon’i Iaveh eo ambany fifehezan’ny mpisorona sy ny Levita, izay notokotokoin’i Davida tao an-tranon’i Iaveh, hanatitra sorona dorana ho an’i Iaveh, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’i Môizy, amim-pifaliana sy fihirana, araka ny nasain’i Davida hatao.
Nasainy nalahatra teo an-tranon’i Iaveh ny Levita, samy mitondra kipantsona sy valiha ary harpa, araka ny didin’i Davida sy i Gada mpahitan’ny mpanjaka, ary i Natàna mpaminany, fa didy avy amin’i Iaveh tamin’ny alalan’ny mpaminany, izany.
Ary nasain’i Ekeziasa natolotra teo ambonin’ny ôtely ny sorona dorana; ka vao natomboka ny sorona dorana, dia natomboka koa ny hira ho an’i Iaveh, mbamin’ny feon-trômpetra, narahin’ny zava-manenon’i Davida mpanjakan’i Israely.
ny Levita mpihira rehetra, i Asafa, i Hemàna, i Iditona, mbamin’ny zanany aman-drahalahiny, samy nitafy rongony madinika, dia nitsangana teo atsinanan’ny ôtely, nitondra kipantsona sy valiha ary harpa, ary teo anilany ny mpisorona 120, samy nitsoka trômpetra;
nony niray feo hankalaza sy hidera an’i Iaveh ireo nitsoka ny trômpetra sy ireo nihira, ka nampaneno ny feon’ny trômpetra aman-kipantsona mbamin’ny zava-maneno ka nankalaza an’i Iaveh amin’ny teny hoe: «Fa tsara Izy, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony», tamin’izay dia tonga feno rahona anankiray ny trano, dia ny tranon’i Iaveh.
Nahita ny nilatsahan’ny afo sy ny voninahitr’i Iaveh teo ambonin’ny trano ny zanak’i Israely rehetra, ka niankohoka tamin’ny tany tamin’ny lampivato, niankohoka nidera an’i Iaveh nanao hoe: «Fa tsara Izy, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.»
Omby 22.000, sy ondry 120.000, no novonoin’i Salômôna mpanjaka natao sorona. Toy izany no nanaovan’ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra ny fitokanana ny tranon’Andriamanitra.
Dia notendreny ny mpisorona, araka ny antokony avy, sy ny Levita araka ny fizarany avy, hanao ny fanompoana an’ilay Andriamanitra izay ao Jerosalema, araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’i Môizy.
Hotanterahin’i Iaveh izay nataony ho ahy, Iaveh ô, mandrakizay ny hatsaram-ponao: Aza mahafoy ny asan-tananao!
Koa indro, hahalala ny Anarako kosa ny vahoakako; eny, ho fantany amin’izany andro izany, fa Izaho miteny hoe: «Inty aho!»
Mpisorona fito no hitondra trômpetra fito mafy faneno eo alohan’ny fiara, ary amin’ny andro fahafito ianareo handeha manodidina impito ny tanàna, ary ny mpisorona hitsoka ny trômpetra.