Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 7:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Samy nanao ny anjara raharahany avy ny mpisorona fa ny levita kosa nisahana ny zava-maneno masina izay nampamboarin’i Davida mpanjaka mba hiderana ny TOMPO hoe: «Eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!», araka ny hira fiderana nasain’i Davida nataony. Dia nisy koa mpisorona nitsoka trômpetra tetsy andaniny; ary ny vahoaka israelita rehetra teo dia nitsangana avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Samy nitsangana hanao ny anjara raharahany avy ny mpisorona sy ny levita izay nanana ny zavamanenon’NY TOMPO, izay nataon’i Davida mpanjaka hiderana NY TOMPO, fa mandrakizay ny famindrampony, raha nasain’i Davida nidera an’Andriamanitra izy; ary nitsoka ny trompetra teo anoloany ny mpisorona, ary ny Israely rehetra dia nitsangana teo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Samy nanao ny anjara raharahany avy ny mpisorona fa ny levita kosa nisahana ny zava-maneno masina izay nampamboarin’i Davida mpanjaka mba hiderana ny TOMPO hoe: «Eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!», araka ny hira fiderana nasain’i Davida nataony. Dia nisy koa mpisorona nitsoka trômpetra tetsy andaniny; ary ny vahoaka israelita rehetra teo dia nitsangana avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Ny mpisorona nitsangana tamin’ny fitoerany avy, mbamin’ny Levita koa nitondra ny zava-manenon’i Iaveh izay nataon’i Davida mpanjaka hiderana an’i Iaveh hoe: Fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony, raha mankalaza an’i Iaveh tamin’ny alalan’izy ireo izy. Nitsoka trômpetra tandrifin’ireo, ny mpisorona, ary tafatsangana i Israely rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary ny mpisorona samy nitsangana hanao ny anjara-raharahany avy; ny Levita koa nanana ny zava-manenon’i Jehovah, izay nataon’i Davida mpanajaka hiderana an’i Jehovah, fa mandrakizay ny famindrampony, raha nasain’i Davida nidera an’Andriamanitra izy; ary ny mpisorona nitsoka ny trompetra teo anoloany, ary ny Isiraely rehetra nitsangana teo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary ny mpisorona samy nitsangana hanao ny anjara-raharahany avy; ny Levita koa nanana ny zava-manenon'i Jehovah, izay nataon'i Davida mpanjaka hiderana an'i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony, raha nasain'i Davida nidera an'Andriamanitra izy; ary ny mpisorona nitsoka ny trompetra teo anoloany, ary ny Isiraely rehetra nitsangana teo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Samy nitsangana hanao ny anjara raharahany avy ny mpisorona* sy ny levita izay nanana ny zavamanenon’NY TOMPO, izay nataon’i Davida mpanjaka hiderana NY TOMPO, fa mandrakizay ny famindrampony, raha nasain’i Davida nidera an’Andriamanitra izy; ary nitsoka ny trompetra teo anoloany ny mpisorona, ary ny Israely rehetra dia nitsangana teo.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 7:6
26 Rohy Ifampitohizana  

Ary i Davida sy ny Israelita rehetra dia niravoravo araka izay tratry ny heriny manontolo teo anatrehan’Andriamanitra, ka nihira niaraka tamin’ny lokanga sy ny valiha mbamin’ny amponga sy ny kipantsona ary ny trompetra.


toraka izany koa i Hôbeda-Edôma sy i Jehià mpiandry vavahady. Ary ireto mpisorona ireto kosa, dia i Sebanià sy i Jôsafata, i Natanaela sy i Hamasay mbamin’i Zakarià sy i Benaià ary i Elihezera, no nitsoka trompetra teo alohan’ny Vatamasin’Andriamanitra.


Miderà ny TOMPO ianareo fa tsara Izy: Eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany.


Tamin’izay koa no voatendrin’i Jôiadà ny olona hitandrina ny tranon’ny TOMPO ka hofehezin’ireo levita mpisorona, izay efa notsinjarain’i Davida ho antokony mba hanolotra ny sorona dorana manontolo ao an-tranon’ny TOMPO araka ny voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy; ka amin-kafaliana sady ombàn-kira no hanatontosany izany, araka ny fepetra nataon’i Davida.


Ary napetraky ny mpanjaka tao an-tranon’ny TOMPO ireo levita ombàn’ny kipantsona sy valiha ary lokanga, araka ny didy nataon’i Davida mpanjaka ary koa nataon’i Gada mpahitany sy i Natàna mpaminany; izany no didy nampitain’ny TOMPO tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny.


Avy eo nasain’i Hezekià natolotra teo ambony alitara ny sorona dorana manontolo; ka vantany vao natomboka izany fanoloran-tsorona izany, dia natomboka noredonina koa ny hira ho an’ny TOMPO sady narahin’ny feon-trompetra sy ny zava-manenon’i Davida mpanjakan’i Israely.


Ny levita mpihira rehetra kosa, izany hoe i Asafa sy i Hemàna ary i Jedotòna mbamin’ny zanany sy ny mpiray tarika aminy, dia nitafy rongony fotsy madinika; ary nitsangana teo atsinanan’ny alitara fisoronana izy ireo sady nitondra kipantsona sy valiha ary lokanga. Teo anilan’ny levita mpihira dia nisy koa mpisorona 120 izay nahay nitsoka trompetra.


Niombona toy ny feo tokana no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, fony izy nidera sy nisaotra ny TOMPO. Ary rehefa nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona mbamin’ny zava-maneno isan-karazany, ka nihira hoe: «Miderà ny TOMPO fa tsara Izy; eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany», dia feno rahona ny tranon’ny TOMPO;


Nony hitan’ny Israelita rehetra kosa ny nilatsahan’ny afo sy ny voninahitry ny TOMPO teo amin’ny tempoly, dia niankohoka nitehina ny lampivato izy ka nitsaoka ny TOMPO sy nidera Azy hoe: «Eny, tsara Izy sady maharitra mandrakizay ny fitiavany».


Ka omby 22 000 sy ondry aman’osy 120 000 no nataon’i Salômôna mpanjaka sorona. Toy izany no nitokanan’ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra ny tranon’Andriamanitra.


Dia nisy fanendrena ny mpisorona sy ny levita ho amin’ny antokony avy sy araka ny andraikiny avy, mba hanao ny fanompoana an’Ilay Andriamanitra Izay ao Jerosalema, araka ny voasoratra ao anatin’ny bokin’i Mosesy.


Haleloià! Miderà ny TOMPO ianareo fa tsara Izy: –eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!


Miderà ny TOMPO ianareo fa tsara Izy: –eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!


TOMPO ô, hotanterahinao amiko izany. Maharitra mandrakizay ny fitiavanao, TOMPO ô, ka aza atsahatra ny asa ataonao.


Ireo kosa mandihy sy mihira hoe: «Ao Tsiôna no loharano ipoiran’ny fitahiana rehetra ho anay.»


Noho izany, dia ho avy ny andro hahalalan’ny vahoakako ny anarako; ka amin’izay no hahafantarany fa Izaho mihitsy no Ilay miteny hoe: Inty Aho.»


Mihirahira manaraka ny feon-dokanga ianareo sy mamorona zava-maneno tahaka an’i Davida.


ka mpisorona fito samy mitondra trompetra iray avy no hialoha ny Vatamasina. Amin’ny andro fahafito dia hodidino impito ny tanàna, ary mandritra izany aoka ny mpisorona hitsoka ny trompetrany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra